Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 51

Rota sy Naomy

Rota sy Naomy

AO AMIN’NY Baiboly ianao dia hahita boky iray antsoina hoe Rota. Izany dia fitantarana ny amin’ny fianakaviana iray velona nandritra ny fotoana nananan’ny Israely mpitsara. Rota dia vehivavy tanora avy any amin’ny tany Moaba; tsy anisan’ny firenen’ny Israely an’Andriamanitra izy. Nefa rehefa nahare momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, izy, dia nanjary faran’izay tia azy. I Naomy dia vehivavy antitra iray izay nanampy an’i Rota hahafantatra ny amin’i Jehovah.

Vehivavy israelita i Naomy. Izy sy ny vadiny ary ny zanak’izy ireo roa lahy dia nifindra nankany amin’ny tany Moaba tamin’ny fotoana izay nahakely ny sakafo teo amin’ny Israely. Indray andro àry dia maty ny vadin’i Naomy. Tatỳ aoriana ireo zanakalahin’i Naomy dia nanambady vehivavy moabita roa nantsoina hoe Rota sy Orpa. Rehefa afaka folo taona teo ho eo anefa, dia maty ireo zanak’i Naomy roa lahy. Endrey ny alahelon’i Naomy sy ireo zazavavy roa! Inona izao no hataon’i Naomy?

Indray andro i Naomy dia nanapa-kevitra fa hanao ny dia lavitra hiverina any aminy, any amin’ny firenen’ny tenany. Naniry mbola hiaraka aminy ihany i Rota sy Orpa, ary dia nandeha niaraka taminy koa. Nefa rehefa avy nandeha kelikely teny an-dalana izy ireo, dia nitodika tany amin’ireo zazavavy i Naomy ary niteny hoe: ‘Miverena any aminareo ary mitoera miaraka amin’ny reninareo.’

Nanoroka an’ireo zazavavy i Naomy ho fanaovam-beloma. Tamin’izay izy ireo dia nanomboka nitomany, satria tia loatra an’i Naomy. Hoy izy ireo: ‘Tsia! Hiaraka aminao ho any amin’ny firenenao izahay.’ Hoy anefa ny navalin’i Naomy: ‘Tokony hiverina ianareo, ry zanako vavy. Ho tsaratsara kokoa ny fiainanareo any aminareo.’ Koa dia nanomboka niverina ho any aminy i Orpa. Fa i Rota kosa tsy nandeha.

Nitodika tany aminy i Naomy ary niteny hoe: ‘Efa lasa i Orpa. Ianao koa miverena miaraka aminy.’ Nefa hoy i Rota: ‘Aza manery ahy handao anao. Izay alehanao no halehako, ary izay itoeranao no hitoerako. Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; izay toerana hahafatesanao no hahafatesako, sady any koa no handevenana ahy.’ Rehefa nilaza izany i Rota, dia tsy nitady intsony hampiverina azy any aminy i Naomy.

Farany dia tonga tany Israely ireo vehivavy ireo. Dia nanorim-ponenana tao izy. Avy hatrany i Rota dia nanomboka niasa tany an-tsaha satria fotoana fijinjana ny vary hordea tamin’izay. Ny lehilahy antsoina hoe Boaza dia namela azy hitsimpom-bary tao amin’ny sahany. Fantatrao ve hoe iza no renin’i Boaza? I Rahaba avy ao an-tanànan’i Jeriko.

Indray andro dia hoy i Boaza tamin’i Rota: ‘Efa reko ny momba anao rehetra, sy ny hatsaram-po nasehonao tamin’i Naomy. Fantatro ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao ary ny tany niavianao sy ny nahatongavanao atỳ amin’ny firenena mbola tsy fantatrao. Enga anie i Jehovah hanisy soa anao!’

Hoy ny valin-tenin-dRota: ‘Tena be hatsaram-po tamiko ianao, tompokolahy. Nanao izay hahatsaratsara ny fiainako ianao tamin’ny fomba mahafinaritra niresahanao tamiko.’ Tia an-dRota aoka izany i Boaza, ary tsy ela dia nivady izy ireo. Endrey ny fifaliana naterak’izany ho an’i Naomy! Nefa vao mainka faly kokoa i Naomy rehefa niteraka an’i Obeda zanany lahy voalohany i Rota sy Boaza. Tatỳ aoriana i Obeda dia tonga raiben’i Davida, ary hianatra zavatra betsaka momba azy isika aoriana kely.

Bokin’i Rota 1-4 ao amin’ny Baiboly.