Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 53

Ny Voadin’i Jefta

Ny Voadin’i Jefta

EFA mba nanao voady iray ve ianao, ary nahita tatỳ aoriana fa sarotra notanterahina izany? Io lehilahy eo amin’ny sary io dia nitrangan’izany, ary izany no antony mahatonga azy halahelo erỳ. Mpitsara nahery fo teo amin’ny Israely ralehilahy ary nantsoina hoe Jefta.

Velona tamin’ny fe-potoana iray tsy nanompoan’ny Israelita an’i Jehovah intsony i Jefta. Nanao izay ratsy indray izy ireo. Koa navelan’i Jehovah ny vahoakan’i Amona hampahory azy. Nahatonga ny Israelita hitaraina tamin’i Jehovah izany hoe: ‘Efa nanota taminao izahay. Koa mba vonjeo re izahay!’

Nalahelo ny olona noho ny zava-dratsy izay nataony. Nasehony ny alahelony tamin’ny fanompoana indray an’i Jehovah. Ary dia nanampy azy indray i Jehovah.

Nofidin’ny olona i Jefta mba hiady amin’ny Amonita ratsy fanahy. Nirin’i Jefta mafy ny hanampian’i Jehovah azy tamin’ny ady. Koa izao no nampanantenainy an’i Jehovah: ‘Raha manome ahy fandresena amin’ny Amonita ianao, ny olona voalohany mivoaka avy ao an-tranoko hihaona amiko rehefa miverina avy any amin’ny fandresena aho dia hatolotro anao.’

Nohenoin’i Jehovah ny voadin’i Jefta, ary nanampy azy hahazo ny fandresena izy. Rehefa nody tany aminy i Jefta, fantatrao ve hoe iza no nivoaka voalohany hihaona taminy? Ny zanany vavy izay hany zanany. ‘Oadray, ry zanako vavy!’, hoy ny fihiakan’i Jefta. ‘Endrey ny alahelo entinao ho ahy. Nefa nanao voady tamin’i Jehovah aho, ka tsy afaka manatsoaka izany.’

Rehefa ren’ny zanakavavin’i Jefta ny amin’io voady io, dia nalahelo koa izy aloha, satria milaza izany fa tsy maintsy mandao ny rainy sy ny sakaizany izy. Nefa handany ny androm-piainany sisa amin’ny fanompoana an’i Jehovah ao amin’ny tabernakeliny ao Silo izy. Koa hoy izy tamin’ny rainy: ‘Raha nanao voady tamin’i Jehovah ianao, dia tsy maintsy manatanteraka izany.’

Ary dia nankany Silo ny zanakavavin’i Jefta, ary nandany ny androm-piainany sisa tamin’ny fanompoana an’i Jehovah tao amin’ny tabernakeliny. Mandritra ny efatra andro isan-taona, ny vehivavy eo amin’ny Israely dia mandeha mitsidika azy any, ary mandany fotoana mahafaly miaraka izy amin’izany. Tian’ny olona ny zanakavavin’i Jefta satria mpanompon’i Jehovah tsara aoka izany izy.