Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 55

Manompo An’andriamanitra ny Zazalahy Kely Iray

Manompo An’andriamanitra ny Zazalahy Kely Iray

MOA ve tsy zazalahy kely mahafinaritra io? Samoela no anarany. Ary ilay lehilahy mametraka ny tanany eo ambony lohan’i Samoela dia i Ely, mpisoronaben’ny Israely. Izao dia ny fitondran’i Elkana rain’i Samoela sy Hana reniny an’i Samoela ho any amin’i Ely.

Vao eo amin’ny efatra na dimy taona i Samoela. Nefa eto izy izao no hipetraka miaraka amin’i Ely sy ny mpisorona hafa. Nahoana moa i Elkana sy Hana no nanome olona tanora kely toa an’i Samoela mba hanompo an’i Jehovah tao amin’ny tabernakely? Andeha hojerentsika.

Taona vitsivitsy talohan’izao dia nalahelo aoka izany i Hana. Ny antony dia noho izy tsy nanan-janaka, ary tena naniry hanana iray aoka izany izy. Koa indray andro rehefa nitsidika ny tabernakelin’i Jehovah i Hana dia nivavaka hoe: ‘Jehovah ô, aza manadino ahy! Raha manome ahy zazalahy iray ianao, dia mampanantena aho fa hatolotro ho anao izy mba hahafahany hanompo anao amin’ny fiainany rehetra.’

Namaly ny vavaka nataon’i Hana i Jehovah, ary volana maromaro tatỳ aoriana dia niteraka an’i Samoela izy. Tian’i Hana ny zanany lahy kely, ary nanomboka nampianatra azy ny amin’i Jehovah izy raha vao mbola kely dia kely izy. Hoy izy tamin’ny vadiny: ‘Raha vantany vao lehibebe i Samoela ka tsy mila minono intsony, dia hoentiko any amin’ny tabernakely izy mba hanompo an’i Jehovah ao.’

Izany no hitantsika ataon’i Hana sy Elkana eto amin’ny sary. Ary satria i Samoela nampianarin’ny ray aman-dreniny tsara erỳ, dia faly izy afaka nanompo an’i Jehovah tao amin’ny tranolain’i Jehovah. Isan-taona i Hana sy Elkana dia nandeha nanao fanompoam-pivavahana tany amin’io tranolay manokana io, sy hitsidika ny zanany lahy kely. Ary isan-taona i Hana dia nitondra akanjo kely tsy misy tanana izay namboariny ho an’i Samoela.

Rehefa nandeha ny taona, dia nanohy nanompo tao amin’ny tabernakelin’i Jehovah i Samoela, ary tian’i Jehovah sy ny olona izy. Nefa tsy tsara ireo zanakalahin’ny mpisoronabe, dia i Hofinia sy Finehasa. Nanao zava-dratsy betsaka izy ireo, ary nanao izay tsy hankatoavan’ny hafa an’i Jehovah koa. Tokony ho nesorin’i Ely tsy ho mpisorona izy ireo, nefa tsy nanao izany izy.

Tsy navelan’i Samoela tanora ny zava-dratsy nitranga tao amin’ny tabernakely, hahatonga azy hampitsahatra ny fanompoana an’i Jehovah. Nefa satria olona vitsy kely no tia marina an’i Jehovah, dia efa hatramin’ny ela no tsy nitenenan’i Jehovah tamin’ny olona. Rehefa nihalehibe kokoa i Samoela dia izao no nitranga:

Natory tao amin’ny tabernakely i Samoela raha nisy feo nanaitra azy. Namaly izy hoe: ‘Inty aho.’ Dia niarina izy ka nihazakazaka tany amin’i Ely ary niteny hoe: ‘Niantso ahy ianao, ka tonga aho.’

Nefa namaly i Ely hoe: ‘Tsy niantso anao aho; miverena matory.’ Koa dia niverina nandry i Samoela.

Avy eo dia nisy antso fanindroany: ‘Samoela!’ Dia niarina indray i Samoela ary nihazakazaka nankeo amin’i Ely. ‘Niantso ahy ianao, ka tonga aho’, hoy izy. Nefa hoy ny navalin’i Ely: ‘Tsy niantso anao aho, anaka. Andeha mandry indray.’ Koa dia niverina tany am-pandriana i Samoela.

‘Samoela!’, hoy ilay feo fanintelony. Nihazakazaka indray tany amin’i Ely i Samoela. ‘Tonga aho, satria tsy maintsy ho niantso ahy ianao tamin’ity’, hoy izy. Fantatr’i Ely izao fa tsy maintsy ho i Jehovah no niantso. Koa hoy izy tamin’i Samoela: ‘Andeha mandry indray, ary raha mbola miantso izy, dia lazao hoe: “Mitenena, Jehovah ô, fa mihaino ny mpanomponao.”’

Izany no nolazain’i Samoela rehefa niantso indray i Jehovah. Nilazan’i Jehovah i Samoela tamin’izay fa hanasazy an’i Ely sy ireo zanany lahy izy. Tatỳ aoriana dia maty i Hofinia sy Finehasa, ary rehefa ren’i Ely izay nitranga, dia nianjera nitsilany izy, ary folaka ny vozony ka dia maty koa izy. Koa dia tanteraka ny tenin’i Jehovah.

Nihalehibe i Samoela, ary tonga mpitsara farany teo amin’ny Israely. Rehefa antitra izy dia nanao fangatahana taminy toy izao ny vahoaka: ‘Mifidiana mpanjaka iray mba hanapaka anay.’ Tsy nirin’i Samoela ny hanao izany, satria i Jehovah no mpanjakan’izy ireo, raha ny marina. Nefa i Jehovah dia nilaza taminy mba hihaino ny vahoaka.