Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 4

Hatreo Amin’ny Mpanjaka Voalohany teo Amin’ny Israely ka Hatramin’ny Fahababoana Tany Babylona

Hatreo Amin’ny Mpanjaka Voalohany teo Amin’ny Israely ka Hatramin’ny Fahababoana Tany Babylona

Tonga mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely i Saoly. Nefa nolavin’i Jehovah izy, ary i Davida no nofidina mba ho mpanjaka ho solony. Hahafantatra zavatra maro momba an’i Davida isika. Niady tamin’i Goliata goavambe izy tamin’ny fahatanorany. Tatỳ aoriana dia nandositra an’i Saoly mpanjaka be fialonana izy. Avy eo dia nisakana azy tsy hanao zavatra amin-kadalana i Abigaila tsara tarehy.

Manaraka izany, dia hianatra zavatra maro momba ny zanakalahin’i Davida isika, dia i Solomona izay nandimby an’i Davida amin’ny maha mpanjakan’ny Israely. Ny tsirairay amin’ireo mpanjaka telo voalohany teo amin’ny Israely dia nanapaka 40 taona avy. Taorian’ny fahafatesan’i Solomona, dia nizara ho fanjakana roa ny Israely, dia ny fanjakana avaratra sy ny fanjakana atsimo.

Naharitra 257 taona ny fanjakana avaratry ny foko folo talohan’ny nandravan’ny Asyrianina azy. Rehefa afaka 133 taona tatỳ aoriana, dia noravana koa ny fanjakana atsimon’ny foko roa. Nentina ho babo tany Babylona ny Israelita tamin’izay fotoana izay. Noho izany, ny Fizarana FAHEFATRA dia mahafaoka tantara naharitra 510 taona, ary fisehoan-javatra mampangitakitaka no handalo eo anoloan’ny masontsika mandritra izany fotoana izany.