Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 56

Saoly: Mpanjaka Voalohany teo Amin’ny Israely

Saoly: Mpanjaka Voalohany teo Amin’ny Israely

JEREO i Samoela mandraraka diloilo eo amin’ny lohan’ilay lehilahy. Izao no fanao tamin’ny olona iray mba hampisehoana fa nofidina ho mpanjaka izy. Nilaza tamin’i Samoela i Jehovah mba handraraka ny diloilo eo an-dohan’i Saoly. Menaka manokana tsara fofona izany.

I Saoly dia tsy nieritreritra ny tenany ho ampy fahatsarana mba ho mpanjaka. ‘Anisan’ny fokon’i Benjamina aho, ny kely indrindra amin’ny Israely’, hoy izy tamin’i Samoela. ‘Nahoana no miteny amiko ianao fa ho mpanjaka aho?’ Tian’i Jehovah i Saoly noho izy tsy nihambo ho lehibe sy ambony. Izany no antony nifidianany azy ho mpanjaka.

Tsy lehilahy nahantra na tso-piaina anefa i Saoly. Avy amin’ny fianakaviana iray nanan-karena izy, ary lehilahy bikàna aoka izany sy lava be. Nanantombo eo amin’ny 30 santimetatra amin’ny olon-drehetra teo amin’ny Israely ny halavany! Mpihazakazaka faran’izay haingana koa i Saoly, ary lehilahy tena natanjaka. Faly ny vahoaka noho ny nifidianan’i Jehovah an’i Saoly ho mpanjaka. Nanomboka niantsoantso izy rehetra hoe: ‘Ho ela velona anie ny mpanjaka!’

Mbola nahery hatrany foana ireo fahavalon’ny Israely. Mbola nampitondra fahasahiranana maro ho an’ny Israelita izy. Fotoana fohy taorian’ny nanaovana an’i Saoly ho mpanjaka, dia tonga hiady tamin’izy ireo ny Amonita. Nefa nanangona tafika lehibe iray i Saoly ary naharesy ny Amonita izy. Nahafaly ny vahoaka tokoa ny naha-mpanjaka an’i Saoly.

Rehefa nandeha ny taona, i Saoly dia nitarika ny Israelita mba hahazo fandresena maro teo amin’ny fahavalony. Nanana koa zanakalahy iray nahery fo nantsoina hoe Jonatana i Saoly. Ary nanampy ny Israely mba handresy tamin’ny ady maro i Jonatana. Mbola ny Filistinina hatrany no fahavalo ratsy indrindran’ny Israely. Indray andro dia Filistinina an’arivony maro no tonga mba hiady tamin’ny Israelita.

Nilazan’i Samoela i Saoly mba hiandry ambara-pahatongany hanolotra fanatitra, na fanomezana, ho an’i Jehovah. Ela anefa i Samoela vao tonga. Natahotra i Saoly sao manomboka ny ady ny Filistinina, koa dia niroso izy ary ny tenany mihitsy no nanao ny fanatitra. Rehefa tonga i Samoela tamin’ny farany, dia nilaza tamin’i Saoly fa tsy nankatò izy. ‘I Jehovah dia hifidy olona hafa iray mba ho mpanjaka eo amin’ny Israely’, hoy i Samoela taminy.

Tatỳ aoriana dia tsy nankatò indray i Saoly. Koa hoy i Samoela taminy: ‘Tsara kokoa ny mankatò an’i Jehovah noho ny manao fanatitra ho azy avy amin’ny ondry tsara indrindra. Satria tsy nankatò an’i Jehovah ianao, i Jehovah dia hanaisotra anao tsy ho mpanjakan’ny Israely.’

Afaka mianatra lesona tsara iray isika avy amin’izany. Mampiseho amintsika izany ny maha-zava-dehibe ny hankatoavana an’i Jehovah mandrakariva. Ary koa asehon’izany fa ny olona iray tahaka an’i Saoly dia mety hiova ary ho tonga ratsy. Tsy irintsika na oviana na oviana ny ho tonga ratsy, sa tsy izany?

1 Samoela 9-11 toko faha-9 ka hatramin’ny faha-11; 1 Sa 13:5-14; 14:47-52; 15:1-35; 2 Samoela 1:23.