Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 58

Davida sy Goliata

Davida sy Goliata

TONGA indray hiady amin’ny Israely ny Filistinina. Ao amin’ny tafik’i Saoly izao ny zokin’i Davida telo mirahalahy. Koa indray andro dia hoy i Jese tamin’i Davida: ‘Mitondrà lango sy mofo ho an’ny rahalahinao. Izahao raha tsara izy ireo.’

Rehefa tonga tany amin’ny tobin’ny miaramila i Davida, dia nihazakazaka nankeny amin’ny laharan’ny miaramila mba hitady an’ireo rahalahiny. Tonga ilay Filistinina goavambe atao hoe Goliata mba hanaraby ny Israelita. Nanao izany izy isa-maraina sy isan-kariva nandritra ny 40 andro. Hoy ny antsoantsony: ‘Mifidiana iray amin’ireo lehilahinareo mba hiady amiko. Raha maharesy izy ka mahafaty ahy, dia ho mpanomponareo izahay. Fa raha resiko kosa izy ka matiko, dia ho mpanomponay ianareo. Mihaika anareo aho mba hamoaka lehilahy iray hiady amiko.’

Nanontanian’i Davida ny sasany tamin’ny miaramila: ‘Inona no homena an’izay lehilahy mahafaty an’io Filistinina io ary mahafa-kenatra ny Israely?’

‘Homen’i Saoly harena be izy’, hoy ilay miaramila. ‘Ary homeny azy ny zanany vavy ho vadiny.’

Nefa natahotra an’i Goliata ny Israely rehetra satria vaventy loatra izy. Mihoatra ny telo metatra ny halavany, ary nanana miaramila hafa iray izy nitondra ny ampingany.

Ny miaramila sasany dia lasa nanambara tamin’i Saoly mpanjaka fa naniry hiady tamin’i Goliata i Davida. Nefa hoy i Saoly tamin’i Davida: ‘Tsy afaka hiady amin’io Filistinina io ianao, satria mbola zaza, fa izy efa mpiady hatrizay niainany.’ Namaly i Davida hoe: ‘Namono bera iray sy liona iray izay nahalasa ny ondrin-draiko aho. Ary ho lasa tahaka ny iray amin’izy ireo io Filistinina io. Hanampy ahy i Jehovah.’ Hoy àry i Saoly: ‘Mandehana, ary i Jehovah anie homba anao.’

Nidina tao amin’ny riaka iray i Davida ary naka vato malama dimy ka nametraka izany tao anaty kitapony. Avy eo dia noraisiny ny antsamotadiny ary nivoaka izy mba hifanena amin’ilay Filistinina. Rehefa nahita azy i Goliata, dia taitra aoka izany. Nieritreritra izy fa mora erỳ ny hamono an’i Davida.

‘Avia etỳ amiko’, hoy i Goliata taminy, ‘dia homeko ny voro-manidina sy ny biby ny fatin’ialahy.’ Nefa hoy i Davida: ‘Manatona ahy amin’ny sabatra sy ny lefona ary ny lefom-pohy ianao, fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah. Anio no hanoloran’i Jehovah anao eo an-tanako ary hamely hahafaty anao aho.’

Tamin’izay i Davida dia nihazakazaka nanatona an’i Goliata. Naka vato iray avy ao amin’ny kitapony izy, nametraka izany tao anaty antsamotadiny, ary nandefa azy tamin’ny heriny rehetra. Nilentika avy hatrany tao an-dohan’i Goliata ilay vato, ary nikarapoka tamin’ny tany izy ka maty. Rehefa hitan’ny Filistinina fa lavo ny maherin’izy ireo, dia nihodina sy nandositra avokoa izy rehetra. Nanenjika azy ireo ny Israelita ary nahazo ny fandresena.