Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 59

Nahoana i Davida no Tsy Maintsy Nandositra

Nahoana i Davida no Tsy Maintsy Nandositra

TAORIAN’NY namonoan’i Davida an’i Goliata, dia nentin’i Abnera komandin’ny miaramila teo amin’ny Israely ho any amin’i Saoly izy. Nankasitrahan’i Saoly aoka izany i Davida. Nataon’i Saoly filoha tao amin’ny tafiny izy ary noraisiny mba hipetraka tao amin’ny tranon’ny mpanjaka.

Tatỳ aoriana, rehefa niverina avy niady tamin’ny Filistinina ny tafika, dia nihira toy izao ny vehivavy: ‘I Saoly nahafaty arivoarivo; fa i Davida nahafaty alinalina.’ Nahatonga an’i Saoly hialona izany, satria nomena voninahitra bebe kokoa noho i Saoly i Davida. Nefa tsy mba nialona i Jonatana zanakalahin’i Saoly. Tiany aoka izany i Davida, ary i Davida koa dia tia an’i Jonatana. Koa dia nanao fifanekena izy roa ireo fa ho mpisakaiza hatrany hatrany.

Nahay nitendry harpa tsara tokoa i Davida, ary tian’i Saoly ny mozika nolalaoviny. Indray andro anefa ny fialonan’i Saoly dia nitarika azy hanao zavatra nahatsiravina. Raha mbola nitendry harpa i Davida, dia nandray ny lefony i Saoly ary natorany izany, sady nilaza izy hoe: ‘Hafantsiko eo amin’ny rindrina i Davida!’ Nefa nihilana i Davida ary tsy nahavoa azy ilay lefona. Fantatr’i Davida àry izao fa tena tokony hitandrina izy.

Tsaroanao ve ny fampanantenana nomen’i Saoly? Nilaza izy fa hanome ny zanany vavy ho vadin’izay lehilahy mahafaty an’i Goliata. Tamin’ny farany i Saoly dia nilaza tamin’i Davida fa afaka mahazo an’i Mikala zanany vavy izy, nefa tsy maintsy mamono 100 avy amin’ny Filistinina fahavalo aloha. Alao sary an-tsaina izany! Nanantena marina tokoa i Saoly fa hamono an’i Davida ny Filistinina. Nefa tsy nanao izany izy ireo, noho izany, dia nomen’i Saoly ny zanany vavy mba ho vadin’i Davida.

Indray andro dia nilaza tamin’i Jonatana sy ny mpanompony rehetra i Saoly fa naniry hamono an’i Davida izy. Nefa hoy i Jonatana tamin’ny rainy: ‘Aza manimba an’i Davida. Mbola tsy nanao ratsy na inona na inona taminao izy. Fa izay rehetra nataony kosa dia fanampiana lehibe ho anao. Nanao vivery ny ainy izy fony namono an’i Goliata, ary rehefa nahita izany ianao dia faly.’

Nihaino ny zanany lahy i Saoly ary nampanantena izy fa tsy hanimba an’i Davida. Nentina niverina i Davida, ary nanompo indray an’i Saoly tao an-tranony izy, tahaka ny nataony teo aloha. Indray andro anefa, raha mbola nitendry zava-maneno i Davida, dia natorak’i Saoly indray tamin’i Davida ny lefony. Nihataka i Davida, ary namely ny rindrina ilay lefona. Fanintelony izao! Fantatr’i Davida izao fa tokony handositra izy!

Iny alina iny i Davida dia nandeha ho any an-tranony. Nefa naniraka lehilahy sasany i Saoly mba hamono azy. Fantatr’i Mikala izay nokasain-drainy hatao. Koa hoy izy tamin’ny vadiny: ‘Raha tsy mandositra ianao anio alina, dia ho faty rahampitso.’ Tamin’iny alina iny i Mikala dia nanampy an’i Davida mba handositra avy eo amin’ny varavarankely iray. Nandritra ny fito taona teo ho eo i Davida dia tsy maintsy niafina nifindrafindra toerana mba tsy hahitan’i Saoly azy.