Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 60

Abigaila sy Davida

Abigaila sy Davida

FANTATRAO ve ilay vehivavy tsara tarehy izay manatona mba hihaona amin’i Davida? Abigaila no anarany. Feno fahendrena izy io, ary nisakana an’i Davida tsy hanao zava-dratsy. Nefa alohan’ny hianarana ny amin’izany, dia andeha hojerentsika izay nitranga tamin’i Davida.

Taorian’ny nandosiran’i Davida an’i Saoly, dia niafina tao amin’ny zohy iray izy. Ireo rahalahiny sy ny sisa tamin’ny fianakaviany dia nanatona azy tao. Lehilahy teo amin’ny 400 no tonga teo aminy tamin’ny fitambarany, ary lasa filohan’izy ireo i Davida. Nankany amin’ny mpanjakan’i Moaba i Davida avy eo ary niteny hoe: ‘Aoka re ny raiko sy ny reniko mba hitoetra eto aminao ambara-pahitako izay hitranga amiko.’ Tatỳ aoriana, i Davida sy ny olony dia nanomboka niafina tany amin’ireo havoana.

Taorian’izany no hihaonan’i Davida tamin’i Abigaila. Nabala vadiny dia lehilahy nanan-tany be. Nanana ondry 3 000 sy osy 1 000 izy. Lehilahy kahihitra i Nabala. I Abigaila vadiny anefa dia vehivavy tena tsara tarehy. Fantany koa ny fomba fanaovana izay mahitsy. Indray mandeha dia voavonjiny mihitsy aza ny fianakaviany. Aoka hojerentsika hoe tamin’ny fomba ahoana.

Nampiseho hatsaram-panahy tamin’i Nabala i Davida sy ny olony. Nanampy azy izy ireo tamin’ny fiarovana ny ondriny. Indray andro àry i Davida dia naniraka sasany tamin’ny olony mba hangata-javatra tamin’i Nabala. Tonga teo amin’i Nabala ireo olon’i Davida raha mbola teo am-panetezana ny ondriny izy sy ireo mpanampy azy. Andro fety tamin’izay, ary nanan-javatra tsara maro hohanina i Nabala. Koa izao no nambaran’ireo olon’i Davida: ‘Nampiseho hatsaram-panahy taminao izahay. Tsy naka na dia iray aza tamin’ny ondrinao izahay, fa nanampy teo amin’ny fiandrasana azy ireny. Mba omeo hanina re izahay, ankehitriny.’

‘Tsy hanome ny haniko ho an’ny olona tahaka anareo aho’, hoy i Nabala. Niresaka tamin’ny fomba tena feno hasomparana izy ary niteny zava-dratsy momba an’i Davida. Rehefa niverina ireo lehilahy ary nanambara ny amin’izany tamin’i Davida, dia tezitra aoka izany i Davida. ‘Apetaho ny sabatrareo!’, hoy izy tamin’ny olony. Ary dia nanomboka ny diany mba hamono an’i Nabala sy ny olony izy ireo.

Ny iray tamin’ireo olon’i Nabala, izay nandre ny teny ratsy notenenin’i Nabala, dia nilaza tamin’i Abigaila izay nitranga. Avy hatrany i Abigaila dia nanomana sakafo sasany. Natainginy teo amin’ny boriky sasany izany ary nanomboka ny diany izy. Rehefa nihaona tamin’i Davida izy dia niala avy teo amin’ny borikiny, niankohoka tamin’ny tany ary niteny hoe: ‘Miangavy anao aho, tompoko, aza mihevitra an’i Nabala vadiko. Adala izy, ary manao zavatra amin-kadalana. Ity misy fanomezana. Mba raiso re izany, ary mamelà anay noho izay nitranga!’

‘Vehivavy hendry ianao’, hoy ny valin-tenin’i Davida. ‘Niaro ahy tsy hamono an’i Nabala mba hamaly azy noho ny haratsiam-panahiny ianao. Modia soa aman-tsara any an-tranonao.’ Tatỳ aoriana, rehefa maty i Nabala, dia tonga iray tamin’ireo vadin’i Davida i Abigaila.