Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 61

Natao Mpanjaka i Davida

Natao Mpanjaka i Davida

NITADY hisambotra an’i Davida indray i Saoly. Naka 3 000 tamin’ireo miaramilany tsara indrindra izy ary nandeha nikaroka azy. Rehefa nahafantatra izany i Davida, dia naniraka mpisafo mba hahalala izay toerana nitobian’i Saoly sy ny olony tamin’ny alina. Nanontany ny roa tamin’ny lehilahiny i Davida avy eo: ‘Iza aminareo no handeha hiaraka amiko ho any amin’ny tobin’i Saoly?’

‘Handeha aho’, hoy ny valin-tenin’i Abisay. I Abisay dia zanakalahin’i Zeroia anabavin’i Davida. Raha mbola natory i Saoly sy ny olony, i Davida sy Abisay dia nitsofoka tamim-pahanginana nankao an-toby. Noraisin’izy ireo ny lefon’i Saoly sy ny tavoara fitoeran-dranony izay nitoetra teo anilan’ny lohan’i Saoly. Tsy nisy nahita na nandre azy roa lahy satria renoky ny torimaso mafy izy rehetra.

Jereo izao i Davida sy Abisay. Efa avy nandositra izy, ary eo an-tampon’ny havoana iray tsy ananany ahiahy. Niantso an’ilay komandin’ny tafiky ny Israely i Davida: ‘Ry Abnera, nahoana ianao no tsy miaro ny mpanjaka tomponao? Jereo! Aiza ny lefony sy ny tavoara fitoeran-dranony?’

Nifoha i Saoly. Fantany ny feon’i Davida ary nanontany izy hoe: ‘Ianao va izany, ry Davida?’ Hitanao ve i Saoly sy Abnera etsy ambany?

‘Eny, ry mpanjaka tompoko’, hoy ny navalin’i Davida an’i Saoly. Ary hoy i Davida: ‘Nahoana no mitady hisambotra ahy ianao? Inona no ratsy nataoko? Indro ny lefonao, ry mpanjaka. Aoka ny iray amin’ny olonao ho avy haka izany.’

‘Nanao fahadisoana aho’, hoy ny fieken’i Saoly. ‘Nanao zavatra tamin-kadalana aho.’ Dia lasa i Davida, ary i Saoly niverina tany an-tranony. Nefa hoy i Davida anakampo: ‘Hovonoin’i Saoly aho indray andro any. Tokony handositra any amin’ny tanin’ny Filistinina aho.’ Ary izany no nataony. Afaka namitaka ny Filistinina i Davida ka nampino azy ireo fa niandany taminy izy izao.

Fotoana fohy tatỳ aoriana, dia niakatra hamely ny Israely ny Filistinina. Samy maty tany an’ady i Saoly sy Jonatana. Nampalahelo loatra an’i Davida izany, ary nanoratra hira mahafinaritra izy, izay nahitana azy nihira hoe: ‘Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko. Nahafinaritra ahy indrindra, ianao!’

Taorian’izany dia niverina nankany amin’ny Israely tao amin’ny tanànan’i Hebrona i Davida. Nisy ady teo amin’ireo olona izay nifidy an’i Isboseta zanakalahin’i Saoly ho mpanjaka sy ny hafa izay naniry an’i Davida ho mpanjaka. Nandresy anefa ny olon’i Davida tamin’ny farany. Telopolo taona i Davida fony izy natao mpanjaka. Nanapaka tao Hebrona izy nandritra ny fito taona sy tapany. Ny sasany tamin’ireo zanany lahy naterany tao dia nantsoina hoe Amnona, Absaloma ary Adonia.

Tonga ny fotoana niakaran’i Davida sy ny olony mba hanafika ny tanàna tsara tarehy iray atao hoe Jerosalema. I Joaba, zanakalahin’i Zeroia, anabavin’i Davida, hafa iray koa, no nitarika ny fanafihana. Koa novalian’i Davida soa i Joaba tamin’ny fanendrena azy ho mpitari-tafiny. Hanomboka hanapaka ao amin’ny tanànan’i Jerosalema izao i Davida.