Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 63

Solomona Mpanjaka Hendry

Solomona Mpanjaka Hendry

I SOLOMONA dia zatovolahy fony izy tonga mpanjaka. Tia an’i Jehovah izy, ary narahiny ny torohevitra tsara nomen’i Davida rainy azy. Nankasitraka an’i Solomona i Jehovah, ka hoy izy taminy indray alina tao amin’ny nofy iray: ‘Ry Solomona, inona no tianao homeko anao?’

Tamin’izay dia namaly i Solomona hoe: ‘Jehovah Andriamanitro ô, mbola zaza aho ary tsy mahay manapaka. Koa omeo fahendrena aho hitondrako ny olonao amin’ny fahamarinana.’

Sitrak’i Jehovah izay nangatahin’i Solomona. Koa hoy Izy: ‘Satria nangataka fahendrena ianao fa tsy ny ho ela velona na harena, Izaho hanome anao fahendrena bebe kokoa noho izay ananan’ny olona miaina iray. Nefa homeko anao koa izay tsy nangatahinao, dia harena sy voninahitra.’

Fotoana fohy taorian’izay dia nisy vehivavy roa nanana zava-nanahirana lehibe tonga teo amin’i Solomona. ‘Ity vehivavy ity sy izaho dia mipetraka ao amin’ny trano iray ihany’, hoy ny fanazavan’ny iray tamin’izy ireo. ‘Niteraka zazalahy aho, ary roa andro tatỳ aoriana dia niteraka zazalahy koa izy. Koa indray alina dia maty ny zanany. Nefa raha mbola natory aho, dia napetrany teo akaikiko ny zanany maty ary noraisiny ny zanako. Rehefa nifoha aho ary nijery ilay zaza maty, dia hitako fa tsy ny zanako ilay izy.’

Tamin’izay dia hoy ilay vehivavy hafa iray: ‘Tsia! Ahy ny zaza velona, ary azy ilay maty!’ Namaly ilay vehivavy voalohany hoe: ‘Tsia! Anao ny zaza maty, ary ahy ny velona!’ Toy izany ny fomba nifamalian’ireo vehivavy. Inona no hataon’i Solomona?

Nampaka sabatra izy, ary rehefa nentina izany, dia hoy izy: ‘Tapaho roa ny zaza velona, ary omeo tapany avy izy roa vavy.’

‘Tsia!’, hoy ny antsoantson’ilay tena reniny. ‘Aza dia vonoina re ny zaza. Omeo azy izy!’ Nefa hoy ilay vehivavy hafa: ‘Aza omena ny iray aminay, fa aoka hozaraina roa.’

Farany dia niteny i Solomona hoe: ‘Aza vonoina ny zaza! Omeo ilay vehivavy voalohany izy. Io no tena reniny.’ Fantatr’i Solomona izany satria tia ny zaza aoka izany ilay tena reny ka naniry hanome azy ho an’ilay vehivavy hafa mba tsy hahafaty azy. Rehefa ren’ny vahoaka ny fomba nandaminan’i Solomona ilay zava-nanahirana, dia faly izy ireo nanana mpanjaka hendry toy izany.

Nandritra ny andro nanjakan’i Solomona, Andriamanitra dia nitahy ny vahoaka tamin’ny fampaniriana varimbazaha, vary hordea, voaloboka, aviavy ary sakafo hafa betsaka teo amin’ny tany. Nanao akanjo tsara ny olona ary nipetraka tamin’ny trano tsara tarehy. Nanana ny zavatra tsara rehetra nihoatra noho ny antonona ny tsirairay avy.