Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 64

Nanorina ny Tempoly i Solomona

Nanorina ny Tempoly i Solomona

TALOHAN’NY hahafatesany, i Davida dia nanome an’i Solomona ny planina avy amin’Andriamanitra mba hanorenana ny tempolin’i Jehovah. Tamin’ny taona fahefatra nanjakany, dia nanomboka nanorina ny tempoly i Solomona, ary naka fito taona sy tapany ny famitana izany. Olona an’aliny maro no niasa tamin’ny tempoly, ary nandaniana aoka izany ilay trano, satria volamena sy volafotsy be dia be no nampiasaina tao aminy.

Nanana efitra roa lehibe ny tempoly, tahaka ny nananan’ny tabernakely. Nefa ireo efitra ireo dia avo roa heny noho ny an’ny tabernakely ny habeny. Nasain’i Solomona napetraka tao amin’ny efitra anatiny amin’ny tempoly ny fiaran’ny fanekena, ary ireo zavatra hafa izay notehirizina tao amin’ny tabernakely dia napetraka tao amin’ilay efitra hafa.

Rehefa vita ny tempoly, dia nisy fankalazana lehibe. Nandohalika teo anoloan’ny alitara i Solomona ary nivavaka, araka ny azonao jerena eo amin’ny sary. ‘Na dia ny lanitra rehetra aza dia tsy omby anao’, hoy i Solomona tamin’i Jehovah, ‘koa mainka fa ity tempoly ity. Nefa, ry Andriamanitro ô, mba henoy re ny vahoakanao rehefa mivavaka manatrika ity toerana ity.’

Rehefa vita ny vavak’i Solomona, dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra. Nandevona ny fanatitra biby izay natao izany. Ary nisy hazavana mamiratra avy amin’i Jehovah nameno ny tempoly. Nampiseho izany fa nihaino i Jehovah, ary nankasitrahany ny tempoly sy ny vavak’i Solomona. Ny tempoly, fa tsy ny tabernakely izao, no lasa toerana izay nahatongavan’ny olona mba hanaovana fanompoam-pivavahana.

Nandritra ny fotoana ela dia nanapaka tamim-pahendrena i Solomona, ary sambatra ny vahoaka. Nefa nanambady vehivavy maro avy amin’ny tany hafa i Solomona, ary tsy nanompo an’i Jehovah ireo. Hitanao ve ny iray amin’izy ireo manao fanompoam-pivavahana eo anoloan’ilay sampy? Tamin’ny farany ireo vadin’i Solomona dia nitarika azy hanompo andriamani-kafa koa. Fantatrao ve izay nitranga rehefa nanao izany i Solomona? Tsy nitondra intsony ny vahoaka tamin-katsaram-panahy izy. Nanjary lasa lozabe izy, ary tsy sambatra intsony ny vahoaka.

Nahatezitra an’i Jehovah tamin’i Solomona izany, ka hoy izy taminy: ‘Hesoriko aminao ny fanjakana ary homeko olon-kafa iray izany. Tsy amin’ny andro ahavelomanao no hanaovako izany, fa mandritra ny andro hanjakan’ny zanakao lahy. Nefa tsy hesoriko amin’ny zanakao lahy akory ny vahoaka rehetra amin’ny fanjakana.’ Andeha hojerentsika ny fomba nahatanterahan’izany.