Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 65

Nozaraina Roa ny Fanjakana

Nozaraina Roa ny Fanjakana

FANTATRAO ve ny antony androvitan’io lehilahy io ny akanjo lavany ho potiny maromaro? I Jehovah no nilaza taminy mba hanao izany. I Ahia mpaminanin’Andriamanitra io lehilahy io. Fantatrao ve izay atao hoe mpaminany? Izany dia olona anambaran’Andriamanitra mialoha izay zavatra hitranga.

Miresaka amin’i Jeroboama i Ahia eto. I Jeroboama dia lehilahy iray nampiandraiketin’i Solomona ny fanaovana ny sasany amin’ny asa fanorenany. Rehefa nihaona tamin’i Jeroboama i Ahia teny an-dalana, dia nanao zavatra hafahafa i Ahia. Nesoriny ny akanjo lava izay nanaovany ary norovitiny ho silany 12. Hoy izy tamin’i Jeroboama: ‘Raiso ny silany folo ho anao.’ Fantatrao ve ny antony nanomezan’i Ahia ny silany folo ho an’i Jeroboama?

Nohazavain’i Ahia fa efa hanaisotra ny fanjakana amin’i Solomona i Jehovah. Nolazainy fa i Jehovah dia efa hanome ny foko folo ho an’i Jeroboama. Milaza izany fa foko roa sisa no ho tavela ho an-dRehoboama zanakalahin’i Solomona mba hanjakany.

Rehefa ren’i Solomona izay nolazain’i Ahia tamin’i Jeroboama, dia tezitra aoka izany izy. Nitady hamono an’i Jeroboama izy. Nefa nandositra nankany Ejipta i Jeroboama. Taoriana kelin’izay dia maty i Solomona. Mpanjaka izy nandritra ny 40 taona, nefa izao dia i Rehoboama zanany lahy no lasa mpanjaka. Ren’i Jeroboama tany Ejipta fa maty i Solomona, koa dia niverina tany Israely izy.

Tsy mpanjaka tsara i Rehoboama. Mbola nasiaka kokoa aza izy tamin’ny vahoaka tsy toa an’i Solomona rainy. I Jeroboama sy ny lehilahy nanan-daza sasany hafa dia nankany amin-dRehoboama mpanjaka ary nangataka azy mba ho tsara fanahy kokoa amin’ny vahoaka. Tsy nihaino anefa i Rehoboama. Raha ny marina dia nanjary mbola nasiaka kokoa noho ny taloha aza izy. Koa dia nanao an’i Jeroboama ho mpanjaka teo amin’ny foko folo ny vahoaka, nefa ny foko roa an’i Benjamina sy Joda dia nihazona an-dRehoboama ho mpanjakan’izy ireo.

Tsy tian’i Jeroboama ny handehanan’ny vahoakany hankany Jerosalema mba hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tempolin’i Jehovah. Koa nanao ombilahy kely volamena roa izy ary nasainy nivavaka tamin’ireo ny vahoakan’ny foko folo tao amin’ny fanjakana. Vetivety ny tany dia nanjary feno fanaovana heloka bevava sy herisetra.

Nisy fahasahiranana koa tao amin’ny fanjakan’ny foko roa. Tsy ampy dimy taona taorian’ny nahatongavan-dRehoboama ho mpanjaka, ny mpanjakan’i Ejipta dia tonga hiady tamin’i Jerosalema. Namabo zava-tsarobidy maro avy tao amin’ny tempolin’i Jehovah izy. Koa dia fotoana fohy monja izany no nitoeran’ny tempoly ho sahala amin’izy vao naorina.