Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 66

Jezebela: Mpanjakavavy Ratsy Fanahy Iray

Jezebela: Mpanjakavavy Ratsy Fanahy Iray

TAORIAN’NY nahafatesan’i Jeroboama, ny mpanjaka tsirairay nanapaka ny fanjakana avaratry ny foko folo dia ratsy. I Ahaba Mpanjaka no ratsy indrindra tamin’ny mpanjaka rehetra. Fantatrao ve hoe nahoana? Ny antony lehibe iray dia noho i Jezebela vadiny, mpanjakavavy ratsy fanahy.

Tsy vehivavy israelita akory i Jezebela. Zanakavavin’ny mpanjakan’i Sidona izy. Izy dia nanompo an’i Bala andriamani-tsy izy, ary nitarika an’i Ahaba sy ny Israelita maro be hanompo koa an’i Bala. Nankahala an’i Jehovah i Jezebela ary namono maro be tamin’ireo mpaminaniny. Ny hafa dia tsy maintsy niafina tany an-johy mba tsy hahafaty azy ireo. Raha naniry zavatra iray i Jezebela, dia hamono mihitsy olona iray mba hahazoana izany.

Indray andro i Ahaba dia nalahelo aoka izany. Koa nanontanian’i Jezebela izy hoe: ‘Nahoana ianao no malahelo androany?’

‘Noho izay nolazain’i Nabota tamiko’, hoy ny navalin’i Ahaba. ‘Naniry hividy ny tanimboalobony aho. Nefa nilaza tamiko izy fa tsy ho afaka hahazo izany aho.’

‘Aza manahy’, hoy i Jezebela. ‘Hataoko izay hahazoanao izany.’

Nanoratra taratasy àry i Jezebela ho an’ny filoha sasany tao amin’ny tanàna nonenan’io lehilahy nantsoina hoe Nabota io. ‘Mitadiava olona sasany tena ratsy fanahy. Asaivo milaza izy fa niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota’, hoy izy tamin’ireo. ‘Avy eo dia raiso ho any ivelan’ny tanàna i Nabota ary torahy vato ho faty.’

Raha vao fantatr’i Jezebela fa maty i Nabota, dia hoy izy tamin’i Ahaba: ‘Andeha alao amin’izay ny tanimboalobony.’ Moa ve tsy tokony hofaizina i Jezebela satria nanao zavatra mahatsiravina toy izany?

Koa naniraka an’i Jeho i Jehovah tatỳ aoriana mba hanafay azy. Rehefa ren’i Jezebela fa tamy i Jeho, dia nandoko ny masony izy ary niezaka nanamboatra ny tenany izy mba ho tsara tarehy. Nefa rehefa tonga i Jeho ary nahita an’i Jezebela teo am-baravarankely, dia niantso ireo lehilahy tao an-dapa izy: ‘Azerao izy!’ Nankatò ireo lehilahy, araka ny hitanao eo amin’ny sary. Natsipin’izy ireo tany ambany izy, ary maty. Izany no niafaran’i Jezebela mpanjakavavy ratsy fanahy.