Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 69

Nanampy Lehilahy Mahery ny Zazavavy Kely Iray

Nanampy Lehilahy Mahery ny Zazavavy Kely Iray

FANTATRAO ve izay lazain’io zazavavy io? Miresaka amin’ilay vehivavy ny amin’i Elisa mpaminanin’i Jehovah sy ny zava-mahagaga nanampian’i Jehovah azy io hataony, izy. Tsy mahafantatra momba an’i Jehovah ilay vehivavy satria tsy Israelita. Aoka hojerentsika àry ny antony nahatonga ilay zazavavy kely tao an-tranon’ilay vehivavy.

Syrianina ilay vehivavy. Ny vadiny dia i Namàna, filohan’ny tafika syrianina. Namabo an’io zazavavy kely israelita io ny Syrianina, ary nentina tao amin’ny vadin’i Namàna izy mba ho mpanompony.

Nanana aretin-dratsy iray nantsoina hoe habokana i Namàna. Mety hahatonga ny sasany amin’ny nofon’ny olona hiendaka mihitsy aza io aretina io. Koa izao no tenin’ilay zazavavy tamin’ny vadin’i Namàna: ‘Iriko raha afaka mankany amin’ny mpaminanin’i Jehovah any Israely ny tompoko. Hanasitrana azy amin’ny habokany izy.’ Tatỳ aoriana dia nambara tamin’ny vadin-dravehivavy izany.

Naniry fatratra ny ho sitrana i Namàna; koa nanapa-kevitra ny ho any Israely izy. Rehefa tonga tany izy dia nankany an-tranon’i Elisa. Nirahin’i Elisa ny mpanompony hilaza amin’i Namàna mba handeha hisasa impito ao amin’ny Ony Jordana. Nahatezitra aoka izany an’i Namàna izany ka hoy izy: ‘Tsara kokoa noho ny reniranon’ny Israely ireo renirano any aminay!’ Rehefa avy niteny izany i Namàna dia lasa nandeha.

Hoy anefa ny iray tamin’ireo mpanompony taminy: ‘Tompoko, raha nangataka anao hanao zavatra sarotra kokoa i Elisa, dia ho nanao izany ianao. Nahoana ianao izao no tsy afaka misasa tsotra fotsiny, araka ny teniny?’ Nihaino ny mpanompony i Namàna ary nandeha niroboka impito tao amin’ny Ony Jordana. Rehefa nanao izany izy, dia tonga mafy sy salama ny hodiny.

Faly aoka izany i Namàna. Niverina tany amin’i Elisa izy ary niteny hoe: ‘Fantatro marina izao fa ny Andriamanitry ny Israely ihany no Andriamanitra marina eran’ny tany rehetra. Koa mba raiso re ity fanomezana avy amiko ity.’ Nefa hoy ny navalin’i Elisa: ‘Tsia, tsy handray izany aho.’ Fantatr’i Elisa fa ho ratsy ny handraisany ilay fanomezana ho azy, satria i Jehovah no nanasitrana an’i Namàna. Nefa i Gehazy mpanompon’i Elisa dia naniry ilay fanomezana ho an’ny tenany.

Koa izao no nataon’i Gehazy. Rehefa lasa i Namàna, i Gehazy dia nihazakazaka nanatratra azy. ‘Naniraka ahy i Elisa hilaza aminao fa maniry ny sasany amin’ny fanomezanao izy ho an’ny sakaizany izay vao tonga mba hitsidika’, hoy i Gehazy. Mazava ho azy fa lainga izany. Nefa Namàna tsy nahalala hoe lainga izany; koa nanome zavatra sasany ho an’i Gehazy izy.

Rehefa niverina i Gehazy, dia fantatr’i Elisa izay nataony. I Jehovah no nilaza taminy. Koa hoy izy: ‘Satria nanao izao zavatra ratsy izao ianao, ny habokan’i Namàna dia hiraikitra aminao.’ Ary nitranga avy hatrany izany!

Inona no azontsika ianarana avy amin’izany rehetra izany? Voalohany indrindra, dia tokony ho sahala amin’ilay zazavavy kely isika ka hiresaka ny amin’i Jehovah. Mety hiteraka soa betsaka izany. Faharoa manaraka izany, dia tsy tokony hiavonavona tahaka an’i Namàna teo am-boalohany isika, ary tokony hankatò an’ireo mpanompon’Andriamanitra. Ary fahatelo, dia tsy tokony handainga sahala amin’i Gehazy isika. Moa ve tsy afaka mianatra zavatra maro isika avy amin’ny famakiana ny Baiboly?