Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 70

Jona sy Ilay Trondro Be

Jona sy Ilay Trondro Be

JEREO ilay lehilahy ao anaty rano. Ao anatin’ny fahasahiranana izy, sa tsy izany? Andeha hitelina azy ilay trondro! Fantatrao ve hoe iza io lehilahy io? Jona no anarany. Aoka hojerentsika ny fomba nahatonga azy ho ao anatin’ny fahasahiranana be.

Mpaminanin’i Jehovah i Jona. Fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Elisa mpaminany, dia hoy i Jehovah tamin’i Jona: ‘Mandehana ho any Ninive, ilay tanàna lehibe. Lehibe loatra ny faharatsian’ny mponina ao, ary tiako ny hiresahanao izany amin’izy ireo.’

Nefa tsy naniry handeha i Jona. Koa nitaingina sambo iray izay nandeha ho any amin’ny lalana mifanohitra amin’i Ninive izy. Tsy nahafaly an’i Jehovah ny nandosiran’i Jona. Koa nalefany ny tafiodrivotra lehibe iray. Ratsy loatra izany ka saika nilentika ilay sambo. Natahotra aoka izany ireo tantsambo, ary niantso an’ireo andriamaniny mba hanampy azy.

Farany, dia hoy i Jona tamin’izy ireo: ‘Manompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany aho. Ary mandositra aho izao mba tsy hanao izay nasain’i Jehovah nataoko.’ Koa nanontany ireo tantsambo hoe: ‘Inona no tokony hataonay aminao, mba hitsaharan’ny tafiodrivotra?’

‘Atsipazo any an-dranomasina aho, ary dia ho tony indray ny ranomasina’, hoy i Jona. Tsy naniry hanao izany ny tantsambo, nefa noho ny tafiodrivotra niharatsy, dia nanipy an’i Jona izy tamin’ny farany. Avy hatrany dia nitsahatra ny tafiodrivotra, ary tony indray ny ranomasina.

Rehefa nilentika tao anaty rano i Jona, dia natelin’ilay trondro be izy. Nefa tsy maty izy. Nandritra ny telo andro sy telo alina izy dia tao an-kibon’ilay trondro. Nalahelo aoka izany i Jona noho izy tsy nankatò an’i Jehovah ka tsy nandeha tany Ninive. Koa fantatrao ve izay nataony?

Nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hanampy azy. Avy eo dia nataon’i Jehovah izay handoavan’ilay trondro an’i Jona teo amin’ny tany maina. Nankany Ninive i Jona taorian’izany. Moa ve izany tsy mampianatra antsika fa zava-dehibe ny hanaovantsika izay rehetra lazain’i Jehovah?

Bokin’i Jona 1-4 ao amin’ny Baiboly.