Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 71

Mampanantena fa Hanome Paradisa Andriamanitra

Mampanantena fa Hanome Paradisa Andriamanitra

IZAO dia sarin’ny paradisa, araka ny mety ho nasehon’Andriamanitra an’i Isaia mpaminany. I Isaia dia velona fotoana fohy taorian’i Jona.

Ny hevitry ny hoe paradisa dia “zaridaina” na “saha.” Mampahatsiahy anao zavatra efa hitantsika tato amin’ity boky ity ve izany? Misy itoviana be amin’ilay zaridaina tsara tarehy nataon’i Jehovah Andriamanitra ho an’i Adama sy Eva izy io, sa tsy izany? Nefa mbola ho tonga paradisa ve ny tany manontolo?

Nilazan’i Jehovah i Isaia mba hanoratra momba ny fahatongavan’ny paradisa vaovao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Hoy Izy: ‘Hiara-monina amim-piadanana ny amboadia sy ny ondry. Hiara-komana ny omby kely sy ny zana-diona, ary zaza madinika no hikarakara azy ireo. Na dia ny zazakely iray aza dia tsy haninona raha milalao eo akaikin’ny menarana misy poizina.’

‘Tsy hitranga mihitsy izany’, hoy ny ho fitenin’ny maro. ‘Nisy foana ny fahasahiranana teto an-tany, ary hisy hatrany izany.’ Nefa saintsaino izao: Karazam-ponenana manao ahoana no nomen’Andriamanitra ho an’i Adama sy Eva?

Napetrak’Andriamanitra tao amin’ny paradisa iray i Adama sy Eva. Satria tsy nankatò an’Andriamanitra izy, dia namoy ny fonenany tsara tarehy, nihantitra ary maty. Nampanantena Andriamanitra fa hanome ireo zavatra mihitsy narian’i Adama sy Eva, ho an’ny olona izay tia azy.

Ao amin’ilay paradisa vaovao ho avy, dia tsy hisy na inona na inona hanimba na handringana. Hisy ny fiadanana tanteraka. Ho salama sy sambatra ny olona rehetra. Izany dia ho sahala amin’ny nanirian’Andriamanitra azy tany am-boalohany. Nefa hianarantsika any aoriana ny fomba hitondran’Andriamanitra izany.