Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 72

Nanampy An’i Hezekia Mpanjaka Andriamanitra

Nanampy An’i Hezekia Mpanjaka Andriamanitra

FANTATRAO ve ny antony ivavahan’io lehilahy io amin’i Jehovah? Nahoana no namelatra ireo soratra ireo teo anoloan’ny alitaran’i Jehovah izy? I Hezekia io lehilahy io. Mpanjakan’ny foko roa atsimo amin’ny Israely izy. Ary ao anatin’ny fahasahiranana be izy. Nahoana?

Satria efa nandrava ny foko folo avaratra izao ireo tafika asyrianina. Navelan’i Jehovah hitranga izany satria ratsy loatra ireo olona ireo. Ary izao dia tonga ireo tafika asyrianina mba hiady amin’ny fanjakan’ny foko roa.

Vao avy nahatonga taratasy ho an’i Hezekia Mpanjaka ny mpanjakan’i Asyria. Izany ireo soratra izay napetrak’i Hezekia eo anatrehan’Andriamanitra eto. Naniratsira an’i Jehovah ireo taratasy, ary nilaza tamin’i Hezekia mba hitolo-batana. Koa izany no antony nivavahan’i Hezekia hoe: ‘Jehovah ô, vonjeo amin’ny mpanjakan’i Asyria izahay. Dia ho fantatry ny firenena rehetra fa ianao irery no Andriamanitra.’ Hihaino an’i Hezekia ve i Jehovah?

Mpanjaka tsara i Hezekia. Tsy nitovy tamin’ireo mpanjaka ratsy teo amin’ny fanjakan’ny foko folo an’ny Israely izy, na nitovy tamin’i Ahaza mpanjaka ratsy. Nitandrina i Hezekia mba hankatò ny lalàn’i Jehovah rehetra. Koa rehefa vitan’i Hezekia ny vavaka nataony, i Isaia mpaminany dia nandefa ho azy izao hafatra avy amin’i Jehovah izao: ‘Tsy ho tonga atỳ Jerosalema ny mpanjakan’i Asyria. Tsy hisy akory amin’ny miaramilany ho avy hanakaiky azy. Tsy handefa zana-tsipìka iray akory amin’ny tanàna izy ireo.’

Jereo ny sary eo amin’ity pejy ity. Fantatrao ve ireo miaramila maty rehetra ireo? Asyrianina izy ireo. Naniraka ny anjeliny i Jehovah, ary tamin’ny alina iray ilay anjely dia namono miaramila asyrianina 185 000. Nilefitra àry ny mpanjakan’i Asyria ary niverina tany aminy.

Novonjena ny fanjakan’ny foko roa, ary nahita fiadanana vetivety ny vahoaka. Nefa rehefa maty i Hezekia dia i Manase zanany lahy no tonga mpanjaka. I Manase sy Amona nanaraka azy dia samy mpanjaka tena ratsy fanahy. Koa feno vonoana olona sy herisetra indray àry ny tany. Rehefa novonoin’ny mpanompony ihany i Amona Mpanjaka, dia i Josia zanany lahy no natao mpanjakan’ny fanjakan’ny foko roa.