Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 73

Ny Mpanjaka Tsara Farany teo Amin’ny Israely

Ny Mpanjaka Tsara Farany teo Amin’ny Israely

I JOSIA dia valo taona monja rehefa tonga mpanjakan’ny foko roa atsimo amin’ny Israely. Kely loatra izany raha hoe ho mpanjaka. Koa nanampy azy hanapaka ny firenena ny olon-dehibe sasany teo am-piandohana.

Rehefa mpanjaka nandritra ny fito taona i Josia dia nanomboka nitady an’i Jehovah. Nanaraka ny ohatra navelan’ireo mpanjaka tsara toa an’i Davida, Josafata ary Hezekia izy. Avy eo, raha mbola vao zatovo i Josia, dia nanao zavatra iray nilana herim-po.

Nandritra ny fotoana ela dia ratsy fanahy aoka izany ny ankamaroan’ny Israelita. Nanompo andriamani-tsy izy izy ireo. Niankohoka teo anoloan’ny sampy izy. Koa lasa i Josia sy ireo lehilahiny nanomboka nanaisotra ny fivavahan-diso tsy ho eo amin’ny tany. Asa lehibe izany satria olona maro loatra no nanompo andriamani-tsy izy. Hitanao i Josia sy ireo lehilahiny eto manapotika ireo sampy.

Taorian’izay dia nampiandraiketin’i Josia lehilahy telo ny fanamboarana ny tempolin’i Jehovah. Nangonina avy amin’ny vahoaka ny vola, ary nomena an’ireo lehilahy ireo mba hikarakarana ny asa tokony hatao. Raha mbola teo am-piasana tao amin’ny tempoly izy ireo, i Hilkia mpisoronabe dia nahita zava-dehibe aoka izany tao. Izany dia ny tena bokin’ny lalàna izay nampanoratin’i Jehovah an’i Mosesy, fahiny ela be. Very izy io nandritra ny taona maro.

Nentina tany amin’i Josia ilay boky, ary nasainy novakina taminy izany. Teo am-pihainoana, dia tsapan’i Josia fa tsy nitandrina ny lalàn’i Jehovah ny vahoaka. Nalahelo loatra izy ny amin’izany, ka nandrovitra ny fitafiany, araka ny hitanao eto. Hoy izy: ‘Tezitra amintsika i Jehovah, satria tsy nitandrina ireo lalàna voasoratra ato amin’ity boky ity ny razambentsika.’

Nandidy an’i Hilkia mpisoronabe i Josia mba hamantatra izay nokasain’i Jehovah hatao amin’izy ireo. Nankany amin’i Holda mpaminany vavy i Hilkia ary nanontany azy. Nanome azy izao hafatra avy amin’i Jehovah izao ravehivavy mba hoentina any amin’i Josia: ‘I Jerosalema sy ny vahoaka rehetra dia hosazina satria nivavaka tamin’ny andriamani-tsy izy ary feno faharatsiana ny tany. Nefa satria ianao, Josia, nanao izay tsara, dia tsy ho tonga alohan’ny fahafatesanao izany sazy izany.’