Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 74

Lehilahy Iray Tsy Natahotra

Lehilahy Iray Tsy Natahotra

JEREO ireo olona manesoeso an’ilay lehilahy tanora. Fantatrao ve hoe iza izy io? I Jeremia io. Tena mpaminany lehiben’Andriamanitra izy.

Tsy ela taorian’ny nanombohan’i Josia Mpanjaka nandrava ireo sampy teo amin’ny tany, i Jehovah dia nilaza tamin’i Jeremia mba ho mpaminaniny. Nieritreritra anefa i Jeremia fa tanora loatra mba ho mpaminany. Nefa i Jehovah dia nilaza fa hanampy azy Izy.

Nilaza tamin’ny Israelita i Jeremia mba hitsahatra amin’ny fanaovan-dratsy. ‘Diso ireo andriamanitra ivavahan’ny firenena jentilisa’, hoy izy. Nefa Israelita maro no tia kokoa ny nivavaka tamin’ireo sampy fa tsy tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Rehefa nilaza tamin’ny vahoaka i Jeremia fa hofaizin’Andriamanitra izy ireo noho ny faharatsiany dia nihomehezany fotsiny izy.

Lasa ireo taona. Maty i Josia, ary telo volana tatỳ aoriana, dia tonga mpanjaka i Joiakima zanany lahy. Nanohy nanambara tamin’ny vahoaka i Jeremia hoe: ‘Horavana i Jerosalema raha tsy ovanareo ny lalan-dratsinareo.’ Nihazona an’i Jeremia ny mpisorona ka niantsoantso hoe: ‘Tokony hovonoina ianao satria nilaza ireo zavatra ireo.’ Avy eo dia hoy izy tamin’ireo mpanapaka ny Israely: ‘Tokony hatao maty i Jeremia, satria niteny nanohitra ny tanànantsika.’

Inona izao no hataon’i Jeremia? Tsy natahotra izy. Hoy ny teniny tamin’izy rehetra: ‘I Jehovah dia naniraka ahy mba hilaza ireo zavatra ireo aminareo. Raha tsy manova ny fomba ratsy fiainanareo ianareo, dia handrava an’i Jerosalema i Jehovah. Aoka ho azonareo antoka izao: Raha mamono ahy ianareo, dia hamono lehilahy iray tsy nanao ratsy akory.’

Navelan’ireo mpanapaka ho velona i Jeremia, nefa tsy nanova ny lalan-dratsiny ny Israelita. Tatỳ aoriana, i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona dia tonga hiady tamin’i Jerosalema. Farany dia nataon’i Nebokadnezara lasa mpanompony ny Israelita. Nitondra olona an’arivony maro ho any Babylona izy. Eritrereto hoe sahala amin’inona izany hoe entin’olon-tsy fantatra avy eo amin’ny misy ny tena ho any amin’ny tany iray tsy fantatra!