Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 75

Zazalahy Efatra Tany Babylona

Zazalahy Efatra Tany Babylona

NENTIN’I Nebokadnezara Mpanjaka ho any Babylona ny Israelita nahay indrindra rehetra. Avy eo dia nofidin’ny mpanjaka tamin’izy ireo ny zatovolahy tsara tarehy sy kinga saina indrindra. Ny efatra amin’izany ireo zazalahy hitanao eto. I Daniela ny iray, ary ny telo hafa dia ireo nantsoin’ny Babylonianina hoe Sadraka, Mesaka ary Abednego.

Nanam-pikasana hampiofana zatovolahy i Nebokadnezara mba hanompo ao an-dapany. Aorian’ny telo taona fampiofanana dia hifidy ireo kinga saina indrindra ihany izy mba hanampy azy handamina zava-manahirana. Tian’ny mpanjaka ireo zazalahy mba hatanjaka sy ho salama eo am-pampiofanana azy. Koa nomeny baiko ny mpanompony mba hanome azy ireo sakafo sy divay matsiro mitovy amin’izay nohanin’ny tenany sy ny fianakaviany.

Jereo i Daniela tanora. Fantatrao ve izay lazainy amin’i Aspenaza, lehiben’ny tandapa? Nolazain’i Daniela taminy fa tsy naniry hihinana ireo zavatra matsiro avy amin’ny latabatry ny mpanjaka izy. Nefa natahotra i Aspenaza: ‘Ny mpanjaka no nanapa-kevitra ny amin’izay hohaninareo sy hosotroinareo’, hoy izy. ‘Ary raha tsy hitany ho salama sahala amin’ireo zatovolahy hafa ianareo, dia mety hamono ahy izy.’

Koa nankany amin’ilay mpiadidy izay nasain’i Aspenaza nikarakara azy sy ireo namany telo i Daniela. ‘Aoka re mba hozahan-toetra folo andro izahay’, hoy izy. ‘Omeo hani-maitso hohaninay sy rano hosotroinay izahay. Avy eo dia ampitahao amin’ireo zatovolahy hafa izay mihinana ny sakafon’ny mpanjaka izahay, ary jereo izay tsara endrika kokoa.’

Nanaiky hanao izany ilay mpiadidy. Rehefa tapitra ny folo andro, i Daniela sy ny namany telo dia hita fa salama kokoa noho ny zatovolahy hafa rehetra. Koa navelan’ilay mpiadidy izy ireo hanohy hihinana hani-maitso ho solon’izay natolotry ny mpanjaka.

Rehefa tapitra telo taona dia nentina teo amin’i Nebokadnezara ny zatovolahy rehetra. Taorian’ny firesahana tamin’izy rehetra, dia hitan’ny mpanjaka fa i Daniela sy ny namany telo no kinga saina indrindra. Koa notazoniny ireo mba hanampy azy tao an-dapa. Ary isaky ny mametraka fanontaniana amin’i Daniela, Sadraka, Mesaka ary Abednego ny mpanjaka, na koa manome azy zava-manahirana sarotra, izy ireo dia mahafantatra impolo heny noho ny mpisorona na ny olon-kendry.