Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 76

Noravana i Jerosalema

Noravana i Jerosalema

EFA ho folo taona mahery izao no nitondran’i Nebokadnezara ny Israelita nahay indrindra rehetra ho any Babylona. Ary jereo izao izay mitranga! Nodorana i Jerosalema. Ary ny Israelita izay tsy maty dia nentina ho babo tany Babylona.

Tsarovy, fa izao no nambaran’ireo mpaminanin’i Jehovah mialoha fa hitranga raha tahiny ny olona tsy manova ny lalan-dratsiny. Tsy nihaino an’ireo mpaminany anefa ny Israelita. Nanohy nanompo ireo andriamani-tsy izy fa tsy i Jehovah ny Israelita. Koa mendrika ny hofaizina àry ny vahoaka. Fantatsika izany satria i Ezekiela mpaminanin’Andriamanitra dia niresaka amintsika ny amin’ireo zava-dratsy izay nataon’ny Israelita.

Fantatrao ve hoe iza i Ezekiela? Iray amin’ireo zatovolahy izay nentin’i Nebokadnezara mpanjaka ho any Babylona, folo taona mahery talohan’izao fandravana lehibe an’i Jerosalema izao izy. I Daniela sy ny namany telo, i Sadraka, Mesaka ary Abednego dia nentina koa ho any Babylona tamin’izay fotoana izay.

Raha mbola tany Babylona i Ezekiela, dia nasehon’i Jehovah azy ny zava-dratsy nitranga tany Jerosalema tao amin’ny tempoly. Tamin’ny fahagagana no nanaovan’i Jehovah izany. Mbola tany Babylona i Ezekiela raha ny marina, nefa navelan’i Jehovah izy hahita ny zavatra rehetra nitranga tao amin’ny tempoly. Ary izay hitan’i Ezekiela dia nahatafintohina!

‘Jereo ny zava-maharikoriko ataon’ny olona eto amin’ny tempoly’, hoy i Jehovah tamin’i Ezekiela. ‘Jereo ny rindrina feno sarim-bibilava sy biby hafa. Ary jereo ny Israelita manompo azy ireo!’ Afaka nahita ireo zavatra ireo i Ezekiela, ary nosoratany izay nitranga.

‘Hitanao ve izay ataon’ireo filoha israelita ao amin’ny miafina?’, hoy ny fanontanian’i Jehovah an’i Ezekiela. Eny, afaka nahita izany koa izy. Nisy lehilahy 70, ary nanompo andriamanitra sandoka izy rehetra. Hoy izy ireo: ‘Tsy mahita antsika i Jehovah. Nahafoy ny tany izy.’

Nasehon’i Jehovah an’i Ezekiela avy eo ny vehivavy sasany teo am-bavahady avaratry ny tempoly. Nipetraka teo izy ireo nanompo ny andriamani-tsy izy Tamoza. Ary jereo ireo lehilahy eo am-pidirana amin’ny tempolin’i Jehovah! Nisy teo amin’ny 25 izy ireo. Hitan’i Ezekiela izy ireo. Niankohoka tany atsinanana izy ary nanompo ny masoandro!

‘Tsy manana fanajana ahy mihitsy ireo olona ireo’, hoy i Jehovah. ‘Tsy hoe manao zava-dratsy fotsiny izy fa tonga hatrao amin’ny tempoliko mihitsy mba hanao izany!’ Nampanantena àry i Jehovah hoe: ‘Hahatsapa ny herin’ny fahatezerako izy. Ary tsy halahelo azy ireo aho rehefa ho ringana izy.’

Teo amin’ny telo taona monja taorian’ny nampisehoan’i Jehovah ireo zavatra ireo tamin’i Ezekiela, vao nikomy tamin’i Nebokadnezara mpanjaka ny Israelita. Koa nandeha hiady tamin’izy ireo izy. Rehefa afaka herintaona sy tapany, dia novakin’ny Babylonianina ny mandan’i Jerosalema ary nandoro tanteraka ny tanàna izy. Novonoina ny ankamaroan’ny mponina na nentina ho babo tany Babylona.

Nahoana moa no navelan’i Jehovah hitranga tamin’ny Israelita io fandravana nahatsiravina io? Eny, satria tsy nihaino an’i Jehovah izy ary tsy nankatò ny lalàny. Mampiseho izany fa zava-dehibe ho antsika hatrany ny manao izay lazain’Andriamanitra.

Tamin’ny voalohany dia nisy olona vitsivitsy navela hijanona tao amin’ny tanin’ny Israely. Napetrak’i Nebokadnezara mpanjaka hiandraikitra ireo olona ireo ny Jiosy iray nantsoina hoe Gedalia. Nefa namono an’i Gedalia ny Israelita sasany avy eo. Natahotra izao ny olona sao dia ho tonga ny Babylonianina handringana azy rehetra ireo satria nitranga izany zavatra ratsy izany. Noteren’izy ireo àry i Jeremia hiaraka aminy, ary nandositra ho any Ejipta izy.

Izany dia namela ny tanin’ny Israely tsy hisy olona mihitsy. Nandritra ny 70 taona dia tsy nisy olona tao amin’ilay tany. Foana tanteraka izany. Nefa nampanantena i Jehovah fa hitondra ny vahoakany hiverina any amin’ny taniny izy rehefa afaka 70 taona. Eo am-piandrasana izany, inona no hitranga amin’ny vahoakan’Andriamanitra any amin’ny tanin’i Babylona izay nitondrana azy ireny? Aoka hojerentsika.