Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 5

Hatreo Amin’ny Fahababoana Tany Babylona ka Hatramin’ny Fanorenana Indray ny Mandan’i Jerosalema

Hatreo Amin’ny Fahababoana Tany Babylona ka Hatramin’ny Fanorenana Indray ny Mandan’i Jerosalema

Fony babo tany Babylona ny Israelita dia nahita fitsapana maro ny finoany. Natsipy tao amin’ny lafaoro misy afo mirehitra i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, nefa navoakan’Andriamanitra soa aman-tsara avy ao izy ireo. Tatỳ aoriana, rehefa resin’ny Medianina sy Persanina i Babylona, dia natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela, nefa niaro azy koa Andriamanitra tamin’ny fanakombonana ny vavan’ny liona.

Farany, dia nanafaka ny Israelita i Kyrosy mpanjaka persanina. Niverina tany amin’ny tany niaviany izy ireo rehefa afaka 70 taona indrindra taorian’ny nitondrana azy ho babo tany Babylona. Ny iray amin’ny zavatra nataony voalohany rehefa tafaverina tany Jerosalema izy dia ny fanombohana nanorina ny tempolin’i Jehovah. Kanefa, tsy ela dia natsahatry ny fahavalo ny asa. Koa teo amin’ny 22 taona taorian’ny fiverenana tany Jerosalema vao vitan’izy ireo ny tempoly tamin’ny farany.

Manaraka izany, dia hianatra ny amin’ny dian’i Ezra niverina tany Jerosalema mba hanatsara ny tempoly isika. Fito amby efapolo taona teo ho eo taorian’ny nahavitan’ny tempoly no nitrangan’izany. Avy eo, 13 taona taorian’ny dian’i Ezra, dia nanampy teo amin’ny fanorenana indray ny manda ravan’i Jerosalema i Nehemia. Ny Fizarana FAHADIMY dia mahafaoka fitantarana naharitra 152 taona hatreo amin’io fotoana io.