Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 77

Tsy Niankohoka Izy Ireo

Tsy Niankohoka Izy Ireo

TADIDINAO ve ny firesahana ny amin’ireo zatovolahy telo ireo? Eny, ireo dia naman’i Daniela. Nanda tsy hihinana izay tsy tsara ho azy ireo izy. Ny Babylonianina dia niantso azy hoe Sadraka, Mesaka ary Abednego. Nefa jereo izy ireo izao. Nahoana izy no tsy miankohoka amin’io sary goavana io tahaka ny olona hafa rehetra? Aoka hojerentsika.

Tsaroanao ve ny lalàna izay nosoratan’ny tenan’i Jehovah ary nantsoina hoe ny Didy Folo? Hoy ny voalohany tamin’ireny: ‘Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.’ Mankatò an’io lalàna io ireo zatovolahy eto, na dia tsy zava-mora aza ny nanao izany.

I Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, dia niantso olo-malaza maro mba hanome voninahitra io sary izay natsangany io. Vao avy niteny tamin’ny olona rehetra izy izao hoe: ‘Rehefa renareo ny feon’ny anjomara, ny harpa ary ny zava-maneno hafa, dia tokony hiankohoka ianareo ary hivavaka amin’io sary volamena io. Na iza na iza tsy miankohoka ary tsy mivavaka, dia hatsipy avy hatrany ao anatin’ny lafaoro misy afo mirehitra.’

Rehefa ren’i Nebokadnezara fa tsy niankohoka i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia tezitra aoka izany izy. Nasainy nentina teo aminy ireo. Nomeny fahafahana mba hiankohoka indray mandeha izy. Nefa nitoky tamin’i Jehovah ireo zatovolahy. ‘Afaka mamonjy anay ny Andriamanitray izay tompoinay’, hoy izy tamin’i Nebokadnezara. ‘Nefa na dia tsy mamonjy anay aza izy, dia tsy hiankohoka amin’ny sary volamena nataonao izahay.’

Rehefa nahare izany i Nebokadnezara, dia vao mainka feno fahatezerana. Nisy lafaoro teo akaiky teo ka nandidy izy hoe: ‘Hafanao impito mihoatra noho ny taloha ny lafaoro!’ Avy eo dia nasainy nafatotry ny lehilahy natanjaka indrindra teo amin’ny tafiny i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, ary natsipy tao amin’ny lafaoro. Nafana loatra ny lafaoro ka matin’ny lelafo ireo lehilahy natanjaka. Nefa ahoana ny amin’ireo zatovolahy telo izay natsipy tao?

Nijery tao amin’ny lafaoro ny mpanjaka, ary natahotra aoka izany. ‘Moa va tsy lehilahy telo no nofatorantsika sy natsipintsika tao amin’ny lafaoro mirehitra?’, hoy ny fanontaniany.

‘Eny, izany no nataontsika’, hoy ny famalin’ny mpanompony.

‘Nefa mahita lehilahy efatra mandehandeha ao anaty afo aho’, hoy izy. ‘Tsy mifatotra izy ireo, ary tsy maninona azy ny afo. Ary ny fahefatra dia tahaka ny andriamanitra.’ Nanatona ny varavaran’ny lafaoro ny mpanjaka ary niantso hoe: ‘Ry Sadraka sy Mesaka ary Abednego, mpanompon’Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ!’

Rehefa nivoaka izy ireo, dia afaka nahita ny rehetra fa tsy naninona mihitsy izy ireo. Hoy ny mpanjaka avy eo: ‘Hoderaina anie ny Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego! Naniraka ny anjeliny Izy ary namonjy azy ireo satria tsy niankohoka na nivavaka tamin’ny andriamani-kafa izy ireo.’

Moa ve izany tsy oha-pahatokiana tsara amin’i Jehovah tokony harahintsika?