Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 78

Sora-tanana teo Amin’ny Rindrina

Sora-tanana teo Amin’ny Rindrina

INONA no mitranga eto? Manao fanasana lehibe ny olona. Nanasa vahiny malaza arivo ny mpanjakan’i Babylona. Mampiasa ny kapoaka volamena sy volafotsy ary ny fanaka avy any amin’ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema izy. Nefa, tsitapitapitr’izay, dia nisy rantsantanan’olona niseho ka nanomboka nanoratra teo amin’ny rindrina. Raiki-tahotra ny rehetra.

I Belsazara, zafikelin’i Nebokadnezara, no mpanjaka tamin’izay. Niantso mafy izy mba hampiditra ny olon-kendriny. ‘Izay afaka mamaky io soratra io ary mahalaza ny heviny amiko’, hoy ny mpanjaka, ‘dia homena fanomezana maro ary hatao mpanapaka fahatelo lehibe indrindra ao amin’ny fanjakana.’ Nefa tsy nisy tamin’ireo olon-kendry afaka namaky ny soratra teo amin’ny rindrina, na nanambara ny heviny.

Nahare ny tabataba ny renin’ny mpanjaka ka tonga tao amin’ny efitrano fisakafoana lehibe. ‘Aza dia raiki-tahotra loatra’, hoy izy tamin’ny mpanjaka. ‘Misy lehilahy iray ao amin’ny fanjakanao izay mahafantatra ireo andriamanitra masina. Fony i Nebokadnezara raibenao mpanjaka dia nanendry azy ho filohan’ny olon-kendriny rehetra izy. Daniela no anarany. Ampanalao izy, fa hanambara aminao ny hevitr’izao rehetra izao.’

Avy hatrany dia nentina teo i Daniela. Rehefa avy nanda tsy handray fanomezana i Daniela, dia nanomboka nanambara ny antony nanesoran’i Jehovah an’i Nebokadnezara raiben’i Belsazara tsy ho mpanjaka. ‘Niavonavona loatra izy’, hoy i Daniela. ‘Ary dia nofaizin’i Jehovah izy.’

‘Nefa ianao’, hoy i Daniela tamin’i Belsazara, ‘dia nahafantatra momba izay rehetra nitranga taminy, ary mbola niavonavona tahaka an’i Nebokadnezara ihany ianao. Nentinao eto ny kapoaka sy ny fanaka avy amin’ny tempolin’i Jehovah ary nisotro tamin’ireny ianao. Nankalaza andriamanitra vita amin’ny hazo sy vato ianao, ary tsy nanome voninahitra ny Mpamorona Lehibe antsika. Izany no antony nandefasan’Andriamanitra ilay tanana mba hanoratra ireo teny ireo.’

‘Izao no voasoratra’, hoy i Daniela: ‘MENE, MENE, TEKELA, OPARESINA.’

‘Ny hoe MENE dia milaza fa nisain’Andriamanitra ny andron’ny fanjakanao ary nofaranany izany. Ny hoe TEKELA dia milaza fa nolanjaina teo amin’ny mizana ianao ary hita fa tsy tsara. Ny hoe OPARESINA dia milaza fa homena ny Medianina sy ny Persanina ny fanjakanao.’

Raha mbola teo am-pitenenana i Daniela, dia efa nanomboka nanafika an’i Babylona sahady ny Medianina sy ny Persanina. Namabo ny tanàna izy ireo ary namono an’i Belsazara. Tanteraka tamin’io alina io ihany ny soratanana teo amin’ny rindrina! Nefa inona izao no hitranga amin’ny Israelita? Ho hitantsika tsy ho ela izany, nefa aoka aloha hojerentsika izay nitranga tamin’i Daniela.