Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 80

Mandao An’i Babylona ny Vahoakan’Andriamanitra

Mandao An’i Babylona ny Vahoakan’Andriamanitra

EFA ho roa taona izao no lasa hatramin’ny namaboan’ny Medianina sy ny Persanina an’i Babylona. Ary jereo izay mitranga izao! Eny, eo am-pandaozana an’i Babylona ny Israelita. Ahoana no nahafahan’izy ireo? Iza no namela azy ireo handeha?

I Kyrosy, mpanjakan’i Persa, no nanao izany. Ela be talohan’ny hahaterahan’i Kyrosy, i Jehovah dia nampanoratra an’i Isaia mpaminaniny toy izao momba azy: ‘Hanao izay iriko hataonao ianao. Havela hivoha ho anao ireo vavahady mba hamaboanao ny tanàna.’ Ary i Kyrosy no nitarika ny famaboana an’i Babylona. Tonga tao an-tanàna ny Medianina sy ny Persanina tamin’ny alina, tamin’ny alalan’ireo vavahady izay navela hivoha.

Nefa nilaza koa i Isaia mpaminanin’i Jehovah fa i Kyrosy dia hanome baiko mba hanorenana indray an’i Jerosalema sy ny tempoliny. Nanome izany baiko izany ve i Kyrosy? Eny, izany tokoa. Izao no nambaran’i Kyrosy tamin’ny Israelita: ‘Mandehana, ankehitriny, ho any Jerosalema ary aoreno ny tempolin’i Jehovah Andriamanitrareo.’ Ary izany indrindra izao no handeha hataon’ny Israelita.

Nefa tsy ny Israelita rehetra tany Babylona akory no afaka nanao ny dia lavitra niverina tany Jerosalema. Lalana lavitra dia lavitra izany, eo amin’ny 800 kilaometatra, ary maro no antitra loatra na narary loatra ka tsy afa-nandeha lavitra toy izany. Ary nisy antony hafa koa tsy nandehanan’ny sasany. Nefa hoy i Kyrosy tamin’ireo izay tsy nandeha: ‘Omeo volafotsy sy volamena ary fanomezana hafa ny olona izay hiverina mba hanorina an’i Jerosalema sy ny tempoliny.’

Nomena fanomezana maro àry ireo Israelita izay hiverina ho any Jerosalema. Nomen’i Kyrosy azy ireo koa ny fanaka sy ny kapoaka izay nentin’i Nebokadnezara avy tao amin’ny tempolin’i Jehovah fony izy nandrava an’i Jerosalema. Nanan-javatra betsaka hoentina miaraka aminy ny olona.

Rehefa afaka efa-bolana teo ho eo no nandehanana, dia tafaverina tany Jerosalema ara-potoana ny Israelita. Tena 70 taona tokoa no lasa hatramin’ny nandravana ny tanàna, ary navela ho foana tanteraka tsy nisy olona ny tany. Nefa na dia tafaverina ao amin’ny taniny aza izao ny Israelita, dia hahita fotoan-tsarotra sasany izy, araka ny hianarantsika manaraka.