Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 81

Mitoky Amin’ny Fanampian’Andriamanitra

Mitoky Amin’ny Fanampian’Andriamanitra

AN’ARIVONY maro ny olona nanao ny dia lavitra avy any Babylona nankany Jerosalema. Nefa rehefa tonga izy ireo, dia antontan-javatra rava lehibe sisa i Jerosalema. Tsy nisy olona nonina tao. Tsy maintsy nanorina tanteraka indray ny zavatra rehetra ny Israelita.

Ny iray amin’ny zavatra naoriny voalohany dia alitara iray. Io no toerana izay azony anaovana fanatitra biby, na fanomezana, ho an’i Jehovah. Volana vitsivitsy taorian’izany dia nanomboka nanorina ny tempoly ny Israelita. Nefa ny fahavalo nonina teny amin’ny tany manodidina dia tsy naniry ny hanorenan’ny Israelita izany. Koa niezaka izy ireo nampitahotra ny Israelita mba hampitsahatra azy. Farany dia nataon’ireo fahavalo ireo izay hamoahan’ny mpanjaka vaovaon’i Persa, lalàna iray nampitsahatra ny asa fanorenana.

Nandalo ireo taona. Fito ambin’ny folo taona izao no lasa hatramin’ny niverenan’ny Israelita avy any Babylona. Naniraka an’i Hagay sy Zakaria mpaminaniny i Jehovah mba hilaza amin’ny olona hanomboka hanorina indray. Nitoky tamin’ny fanampian’Andriamanitra ny olona, ary nankatò an’ireo mpaminany. Nanomboka nanorina indray izy ireo, na dia nilaza aza ny lalàna iray fa tsy tokony hanao izany izy.

Koa tonga ny mpanao raharaham-panjakana persanina iray natao hoe Tatenay ary nanontany ny Israelita ny amin’ny fahazoan-dalana hanorina ny tempoly. Nilaza taminy ny Israelita fa, fony izy tany Babylona, i Kyrosy Mpanjaka dia nilaza tamin’izy ireo hoe: ‘Mandehana, ankehitriny, ho any Jerosalema ary aoreno ny tempolin’i Jehovah Andriamanitrareo.’

Nandefa taratasy ho any Babylona i Tatenay ary nanontany, raha tahiny i Kyrosy, izay efa maty ankehitriny, ka niteny marina izany. Tsy ela dia niverina ny taratasy iray avy tamin’ny mpanjaka vaovaon’i Persa. Nanambara izy io fa niteny marina izany i Kyrosy. Ary dia nanoratra toy izao ny mpanjaka: ‘Aoka ny Israelita hanorina ny tempolin’ny Andriamaniny. Ary mandidy anareo aho mba hanampy azy.’ Tao anatin’ny efa-taona teo ho eo, dia vita ny tempoly, ary faly indrindra ny Israelita.

Nandalo ny taona maro hafa. Efa ho 48 taona izao no lasa hatramin’ny nahavitan’ny tempoly. Nahantra ny mponina tao Jerosalema, ary tsy dia tsara endrika loatra ny tanàna sy ny tempolin’i Jerosalema. Tany Babylona, i Ezra israelita dia nahalala fa nilaina ny hanatsarana ny tempolin’Andriamanitra. Fantatrao àry ve izay nataony?

Nankany amin’i Artaksersesy, mpanjakan’i Persa izy, ary nanome an’i Ezra fanomezana maro hoentina any Jerosalema io mpanjaka tsara io. Nangataka an’ireo Israelita tany Babylona i Ezra mba hanampy azy hitondra ireo fanomezana ireo any Jerosalema. Olona teo amin’ny 6 000 no nilaza fa handeha. Nanana volafotsy sy volamena betsaka ary zava-tsarobidy hafa hoentina miaraka aminy izy ireo.

Velom-panahiana i Ezra, satria nisy olon-dratsy teny an-dalana. Nety haka ny volafotsy sy ny volamenan’izy ireo ireny olona ireny, ary hamono azy. Koa niantso ny olona niaraka i Ezra, araka ny hitanao eo amin’ny sary. Nivavaka tamin’i Jehovah izy ireo avy eo mba hiaro azy mandritra ny diany lavitra ho any Jerosalema.

Niaro azy ireo i Jehovah. Ary taorian’ny efa-bolana nandehanana, dia tonga soa aman-tsara tany Jerosalema izy. Moa ve tsy mampiseho izany fa i Jehovah dia afaka miaro an’ireo izay mitoky aminy mba hahazoana fanampiana?

Ezra 2-8 toko faha-2 ka hatramin’ny faha-8.