Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 82

Mordekay sy Estera

Mordekay sy Estera

ANDEHA isika hiverina taona vitsivitsy any aoriana, talohan’ny nandehanan’i Ezra tany Jerosalema. I Mordekay sy Estera no Israelita nalaza indrindra tao amin’ny fanjakan’i Persa. I Estera no mpanjakavavy, ary i Mordekay zanaky ny rahalahin-drainy no faharoa nanaraka ny mpanjaka teo amin’ny fahefana. Aoka hojerentsika ny fomba nitrangan’izany.

Maty ireo ray aman-drenin’i Estera fony izy mbola kely, koa i Mordekay no nitaiza azy. I Ahasoerosy, mpanjakan’i Persa, dia nanana lapa tao an-tanànan’i Sosana, ary iray tamin’ireo mpanompony i Mordekay. Indray andro dia tsy nankatò ny mpanjaka i Vasty vadiny, koa nifidy vady vaovao izy mba ho vadin’ny mpanjaka. Fantatrao ve ny vehivavy nofidiny? Estera tanora tsara tarehy izany.

Hitanao ve io lehilahy be avonavona iankohofan’ny olona io? Io no Hamana. Lehilahy tena nalaza izy tany Persa. Nirin’i Hamana i Mordekay izay hitanao mipetraka eto, hiankohoka taminy koa. Nefa tsy hanao izany i Mordekay. Tsy noheveriny ho ara-dalàna ny fiankohofana amin’ny olona ratsy fanahy toy izany. Nahatonga an’i Hamana ho tezitra indrindra izany. Koa izao no nataony:

Nilaza lainga tamin’ny mpanjaka i Hamana momba ny Israelita. ‘Olona ratsy fanahy izay tsy mankatò ny lalànao izy ireo’, hoy izy. ‘Tokony hatao maty izy.’ I Ahasoerosy dia tsy nahalala fa i Estera vadiny dia Israelita. Koa nihaino an’i Hamana izy ary nampanao lalàna iray fa tokony hovonoina ny Israelita rehetra amin’ny andro iray.

Rehefa ren’i Mordekay ny amin’ilay lalàna, dia very hevitra aoka izany izy. Nandefa hafatra ho an’i Estera izy: ‘Tsy maintsy miresaka amin’ny mpanjaka ianao ary mangataka azy mba hamonjy antsika.’ Mifanohitra amin’ny lalàn’i Persa ny fisehoana eo amin’ny mpanjaka raha tsy nasaina ny tena. Nefa i Estera dia nandeha tsy nasaina. Nanatsotra ny tehiny volamena taminy ny mpanjaka, izay milaza fa tsy ho faty izy. Nasain’i Estera ho amin’ny fanasana lehibe iray ny mpanjaka sy Hamana. Tao ny mpanjaka dia nanontany an’i Estera izay zavatra niriny ho azo avy taminy. Nilaza i Estera fa holazainy aminy izany raha tahiny izy sy Hamana ho tonga amin’ny fanasana hafa indray ny andro manaraka.

Tao amin’ilay fanasana dia hoy i Estera tamin’ny mpanjaka: ‘Ny fireneko sy ny tenako dia tsy maintsy ho faty.’ Tezitra aoka izany ny mpanjaka. ‘Iza no sahy manao zavatra toy izany?’, hoy ny fanontaniany.

‘Ilay olona, ilay fahavalo, dia io Hamana ratsy fanahy io!’, hoy i Estera.

Tezitra marina tokoa izao ny mpanjaka. Nandidy izy mba hovonoina i Hamana. Taorian’izany, dia nataon’ny mpanjaka lasa faharoa manaraka azy teo amin’ny fahefana i Mordekay. Nataon’i Mordekay avy eo izay hanaovana lalàna vaovao iray hamela ny Israelita hiady mba ho velona amin’ilay andro tokony hamonoana azy ireo. Satria i Mordekay efa lehilahy nanan-kery erỳ izao, dia olona maro no nanampy ny Israelita, ary novonjena tamin’ny fahavalony izy ireo.

Bokin’i Estera 1-10 ao amin’ny Baiboly.