Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 83

Ny Mandan’i Jerosalema

Ny Mandan’i Jerosalema

JEREO ny asa rehetra atao eto. Sahirana manorina ny mandan’i Jerosalema ny Israelita. Rehefa nandrava an’i Jerosalema i Nebokadnezara Mpanjaka, 152 taona talohan’izao, dia narodany ny manda ary nodorany ny vavahadin’ny tanàna. Tsy nanorina indray ny manda ny Israelita rehefa tafaverina voalohany avy tany Babylona.

Araka ny fihevitrao, inona no tsapan’ny olona velona teto nandritra ireo taona rehetra tsy nisian’ny manda manodidina ny tanànany? Tsy nahatsiaro ho tsy nanana ahiahy izy. Mora tamin’ny fahavalony ny ho tonga tao ka hanafika azy ireo. Izao anefa io lehilahy atao hoe Nehemia io dia nanampy ny olona tamin’ny farany mba hanorina indray ny manda. Fantatrao ve hoe iza i Nehemia?

I Nehemia dia Israelita iray avy any amin’ny tanànan’i Sosana, izay onenan’i Mordekay sy Estera. Niasa tao an-dapan’ny mpanjaka i Nehemia, koa nety ho mpinamana tsara tamin’i Mordekay sy Estera vadin’ny mpanjaka izy. Nefa tsy milaza ny Baiboly hoe i Nehemia dia niasa ho an’i Ahasoerosy Mpanjaka, vadin’i Estera. Niasa ho an’ny mpanjaka nanaraka, dia i Artaksersesy Mpanjaka, izy.

Tsarovy, fa i Artaksersesy ilay mpanjaka tsara izay nanome an’i Ezra ny vola be rehetra hoentina any Jerosalema mba hanamboarana ny tempolin’i Jehovah. Nefa i Ezra dia tsy nanorina ny manda ravan’ilay tanàna. Aoka hojerentsika ny nahatonga an’i Nehemia hanao an’io asa io.

Telo ambin’ny folo taona izao no lasa hatramin’ny nanomezan’i Artaksersesy an’i Ezra ny vola mba hanamboarana ny tempoly. I Nehemia izao no lehiben’ny mpitondra kapoakan’i Artaksersesy Mpanjaka. Milaza izany fa nanolotra ny divain’ny mpanjaka izy, ary nanao izay hahazoana antoka fa tsy nisy olona nitady hanapoizina ny mpanjaka. Asa faran’izay lehibe izany.

Koa indray andro, i Hanany rahalahin’i Nehemia sy ny lehilahy hafa avy any amin’ny tanin’ny Israely dia tonga nitsidika an’i Nehemia. Nolazain’izy ireo taminy ny amin’ny fahasahiranana hitan’ny Israelita, sy ny amin’ny mandan’i Jerosalema izay mbola rava ihany. Nampalahelo indrindra an’i Nehemia izany, ary nivavaka tamin’i Jehovah momba izany izy.

Indray andro dia nomarihin’ny mpanjaka fa nalahelo i Nehemia, ka nanontany izy hoe: ‘Nahoana no malahelo tarehy erỳ ianao?’ Nanambara taminy i Nehemia fa izany dia noho i Jerosalema ao anatin’ny toe-piainana ratsy loatra sy ny mandany rava. ‘Inona àry no irinao?’, hoy ny mpanjaka nanontany azy.

‘Avelao aho ho any Jerosalema’, hoy i Nehemia, ‘mba hahafahako hanorina indray ny manda.’ Tsara fanahy aoka izany i Artaksersesy Mpanjaka. Nilaza izy fa mahazo mandeha i Nehemia, ary nanampy azy izy mba hahita hazo hanaovana ny sasany amin’ny fanorenana. Tsy ela taorian’ny nahatongavan’i Nehemia tany Jerosalema, dia nambarany tamin’ny vahoaka ny fikasany. Tian’izy ireo ilay hevitra, ka hoy izy ireo: ‘Aoka isika hanomboka ny fanorenana.’

Rehefa hitan’ny fahavalon’ny Israelita ny fiakaran’ny manda, dia hoy izy: ‘Hiakatra isika ka hamono azy ireo, ary hampitsahatra ny asa fanorenana.’ Nefa ren’i Nehemia ny amin’izany, ary nomeny sabatra sy lefona ny mpiasa. Dia hoy izy: ‘Aza matahotra ny fahavalonareo. Miadia ho an’ny rahalahinareo, ho an’ny zanakareo, ary ho an’ny tranonareo.’

Nahery fo aoka izany ny olona. Nataony vonona andro aman’alina ny fiadiany, ary nanohy ny fanorenana izy. Koa tao anatin’ny 52 andro dia vita ny manda. Izao ny olona dia afaka nahatsapa tsy fananana ahiahy ao anatin’ny tanàna. Nampianatra ny vahoaka ny lalàn’Andriamanitra i Nehemia sy Ezra, ary sambatra ny vahoaka.

Nefa ny toe-javatra dia mbola tsy nitovy tamin’ny talohan’ny nitondrana ny Israelita ho babo tany Babylona. Ny vahoaka dia notapahin’ny mpanjakan’i Persa ary tsy maintsy nanompo azy. Nefa nampanantena i Jehovah fa haniraka mpanjaka vaovao iray, ka io mpanjaka io no hitondra fiadanana ho an’ny olona. Iza moa io mpanjaka io? Ahoana no hitondrany fiadanana eto an-tany? Eo amin’ny 450 taona no lasa alohan’ny hahafantarana zavatra hafa momba izany. Avy eo dia tonga ny fahaterahana nalaza tokoa an’ny zazakely iray. Tantara hafa iray anefa izany.

Nehemia 1-6 toko voalohany ka hatramin’ny faha-6.