Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 86

Lehilahy Notarihin’ny Kintana Iray

Lehilahy Notarihin’ny Kintana Iray

HITANAO ve ilay kintana mazava tondroin’ny iray amin’ireo lehilahy ireo? Rehefa nandao an’i Jerosalema izy ireo, dia niseho ilay kintana. Avy any Atsinanana ireo lehilahy ireo, ary nandinika ny kintana. Nino izy fa nitarika azy ho any amin’ny olo-malaza iray io kintana io.

Rehefa tonga tany Jerosalema ireo lehilahy dia nanontany hoe: ‘Aiza ilay zaza ho tonga mpanjakan’ny Jiosy?’ Ny hoe “Jiosy” dia anarana hafan’ny Israelita. ‘Nahita voalohany ny kintan’ilay zaza izahay fony tany Atsinanana’, hoy ireo lehilahy, ‘ary tonga izahay mba hitsaoka azy.’

Rehefa ren’i Heroda mpanjaka tao Jerosalema ny amin’izany, dia nangorohoro izy. Tsy tiany haka ny toerany ny mpanjaka hafa. Koa nantsoin’i Heroda ireo lohan’ny mpisorona ary nanontaniany hoe: ‘Aiza moa no ho teraka ilay mpanjaka nampanantenaina?’ Namaly izy ireo hoe: ‘Any Betlehema, hoy ny Baiboly.’

Nantsoin’i Heroda àry ireo lehilahy avy any Atsinanana ary nitenenany hoe: ‘Andeha tadiavo ilay zazakely. Rehefa hitanareo izy, dia ampahafantaro ahy. Maniry handeha hitsaoka azy koa aho.’ Nefa, raha ny marina, dia naniry hahita ilay zaza i Heroda mba hamonoana azy!

Avy eo ilay kintana dia nialoha lalana ireo lehilahy ho any Betlehema, ary nijanona teo ambonin’ny toerana nisy ilay zaza. Rehefa niditra tao an-trano ireo lehilahy, dia nahita an’i Maria sy Jesosy zaza. Nitondra fanomezana izy ary nanolotra izany an’i Jesosy. Nefa tatỳ aoriana i Jehovah dia nampitandrina an’ireo lehilahy tao amin’ny nofy mba tsy hiverina any amin’i Heroda. Koa nody tany amin’ny tany niaviany tamin’ny lalana hafa izy.

Rehefa fantatr’i Heroda fa lasa nody ireo lehilahy avy any Atsinanana, dia tezitra indrindra izy. Koa nanome baiko izy mba hamonoana ny zazalahy rehetra roa taona no ho midina tao Betlehema. Nefa i Jehovah dia nampitandrina mialoha an’i Josefa tao amin’ny nofy iray, ary lasa nankany Ejipta niaraka tamin’ny fianakaviany i Josefa. Tatỳ aoriana, rehefa fantatr’i Josefa fa maty i Heroda, dia nentiny niverina tany Nazareta i Maria sy Jesosy. Tao no nahabe an’i Jesosy.

Inona, araka ny hevitrao, no nahatonga ilay kintana vaovao hamirapiratra? Tadidio, fa ireo lehilahy dia nankany Jerosalema aloha taorian’ny fahitany ilay kintana. Naniry hamono ny Zanak’Andriamanitra i Satana Devoly, ary fantany fa hitady hamono an’i Jesosy i Heroda mpanjaka tany Jerosalema. I Satana àry ilay tsy maintsy ho nampamirapiratra ilay kintana.