Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 88

Nanao Batisa An’i Jesosy i Jaona

Nanao Batisa An’i Jesosy i Jaona

JEREO ny voromailala midina eo amin’ny lohan’ilay lehilahy. I Jesosy io lehilahy io. Eo amin’ny 30 taona izy izao. Ary ilay lehilahy miaraka aminy dia i Jaona. Efa nianatra zavatra momba azy isika. Tsaroanao ve fony i Maria nitsidika an’i Elizabeta havany, fa nibitaka ny zaza tao an-kibon’i Elizabeta? I Jaona izany zaza mbola tsy teraka izany. Nefa manao inona moa i Jaona sy Jesosy izao?

Vao avy nandroboka an’i Jesosy tao amin’ny ranon’ny Ony Jordana i Jaona. Izany no fomba fanaovana batisa olona iray. Alentika ao anaty rano izy aloha, avy eo dia akarina indray. Satria izany no nataon’i Jaona tamin’ny olona, dia nantsoina hoe Jaona Mpanao Batisa izy. Nefa nahoana moa i Jaona no nanao batisa an’i Jesosy?

Eny, nanao izany i Jaona satria tonga i Jesosy nangataka azy hanao batisa ny tenany. Nataon’i Jaona batisa ny olona izay naniry hampiseho alahelo noho ny zava-dratsy nataony. Nefa moa ve i Jesosy mba efa nanao ratsy ka tokony hanenina ny amin’izany? Tsia, tsy mbola nanao ratsy i Jesosy, satria Zanak’Andriamanitra avy any an-danitra izy. Koa nangataka an’i Jaona mba hanao batisa azy izy noho ny antony hafa. Aoka hojerentsika izany antony izany.

Talohan’ny nanatonan’i Jesosy an’i Jaona dia mpandrafitra izy. Ny mpandrafitra dia olona iray manamboatra zavatra avy amin’ny hazo, toy ny latabatra sy ny seza ary ny dabilio. Mpandrafitra i Josefa vadin’i Maria, ary nampianatra an’i Jesosy izy mba ho toy izany koa. Nefa i Jehovah tsy naniraka ny Zanany tetỳ an-tany mba ho mpandrafitra. Nanana asa manokana hampanaovina azy izy, ary tonga ny fotoana hanombohan’i Jesosy hanao izany. Koa mba hampisehoana fa tonga izy izao hanao ny sitrapon’ny Rainy, i Jesosy dia nangataka an’i Jaona mba hanao batisa azy. Nahafaly an’Andriamanitra ve izany?

Eny, faly izy, satria rehefa niakatra avy ao anaty rano i Jesosy, dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: ‘Ity no Zanako, izay sitrako.’ Ary toa nisokatra koa ny lanitra ka nidina teo amin’i Jesosy io voromailala io. Nefa tsy tena voromailala izy io. Tahaka izany fotsiny ilay izy. Raha ny marina dia ny fanahy masin’Andriamanitra io.

Izao i Jesosy dia nanana zavatra betsaka hosaintsainina, ka dia nankany amin’ny toerana mitokana nandritra ny 40 andro izy. Tonga teo aminy i Satana tany. Intelo i Satana no nitady hampanao an’i Jesosy zavatra mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra. Nefa tsy nanaiky izany i Jesosy.

Taorian’izany, dia niverina i Jesosy ary nahita lehilahy sasany izay ho tonga ny mpanara-dia azy voalohany, na mpianatra. Ny sasany amin’ny anaran’izy ireo dia i Andrea, Petera (antsoina koa hoe Simona), Filipo ary Natanaela (antsoina koa hoe Bartolomeo). Lasa nankany amin’ny distrikan’i Galilia i Jesosy sy ireo mpianany vaovao. Tany Galilia izy ireo dia nijanona tao amin’ny tanàna nahabe an’i Natanaela, tao Kana. Tao i Jesosy dia nankany amin’ny fanasana fampakaram-bady lehibe iray, ary nanao ny fahagagany voalohany. Fantatrao ve hoe inona izany? Nanova ny rano ho divay izy.