Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 89

Manadio ny Tempoly i Jesosy

Manadio ny Tempoly i Jesosy

TOA tezitra marina i Jesosy eto, sa tsy izany? Fantatrao ve ny antony nahatonga azy ho tezitra aoka izany? Satria tia tombony loatra ireo lehilahy tao amin’ny tempolin’Andriamanitra tany Jerosalema ireo. Nitady hahazo vola be avy amin’ny olona tonga teto mba hivavaka tamin’Andriamanitra izy.

Hitanao ve ireo zanak’omby sy ondry ary voromailala ireo? Eny, nivarotra ireo biby ireo tao amin’ny tempoly mihitsy ny olona. Fantatrao ve hoe nahoana? Satria nila biby sy vorona ny Israelita mba hatao fanatitra ho an’Andriamanitra.

Nilaza ny lalàn’Andriamanitra fa rehefa nanao ratsy ny Israelita iray, dia tokony hanao fanatitra ho an’Andriamanitra. Ary nisy fotoana hafa koa, izay tsy maintsy nanaovan’ny Israelita fanatitra. Nefa aiza no nety ho nahitan’ny Israelita iray vorona sy biby hatolotra an’Andriamanitra?

Ny Israelita sasany dia nanana vorona sy biby. Koa afaka nanolotra ireny izy. Nefa Israelita maro no tsy nanana biby na vorona. Ary ny hafa dia nonina lavitra loatra an’i Jerosalema ka tsy afaka nitondra iray tamin’ireo bibiny tao amin’ny tempoly. Koa tonga teto ny olona ary nividy ny biby na ny vorona izay nilainy. Nefa ireto lehilahy ireto dia naka vola be loatra tamin’ny olona. Nangalatra tamin’ny vahoaka izy. Ankoatra izany, dia tsy tokony hivarotra teto amin’ny tempolin’Andriamanitra izy.

Izany no nahatonga an’i Jesosy ho tezitra. Nazerany àry ny latabatr’ireo lehilahy, niaraka tamin’ny vola, ary naparitany ny vola vy. Nanao karavasy tamin’ny tady izy ary nandroaka ny biby rehetra tsy ho ao amin’ny tempoly. Nandidy an’ireo lehilahy nivarotra voromailala izy hoe: ‘Ento mivoaka ireo zavatra ireo! Atsaharo ny fanaovana ny tranon’ny Raiko ho toerana fahazoam-bola be.’

Ny sasany tamin’ny mpanaraka an’i Jesosy dia niaraka taminy tao amin’ny tempoly teto. Gaga izy ireo nahita izay nataon’i Jesosy. Avy eo dia tsaroan’izy ireo ny toerana ao amin’ny Baiboly izay ilazana ny amin’ny Zanak’Andriamanitra hoe: ‘Ny fitiavany ny tranon’Andriamanitra no nampirehitra azy tahaka ny afo.’

Raha mbola tany Jerosalema i Jesosy nanatrika ny Paska, dia nanao fahagagana maro izy. Taorian’izany i Jesosy dia nandao an’i Jodia ary nanomboka ny diany niverina ho any Galilia. Nefa teny an-dalana dia namakivaky ny distrikan’i Samaria izy. Aoka hojerentsika izay nitranga tany.