Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 90

Niaraka Tamin’ilay Vehivavy teo Amin’ny Fantsakana

Niaraka Tamin’ilay Vehivavy teo Amin’ny Fantsakana

NIJANONA teo akaikin’ny fantsakana iray tany Samaria i Jesosy mba hiala sasatra. Lasa nankany an-tanàna ny mpianany mba hividy sakafo. Ilay vehivavy iresahan’i Jesosy dia tonga mba haka rano. Hoy i Jesosy taminy: ‘Omeo hosotroiko aho.’

Nahagaga an’ilay vehivavy izany. Fantatrao ve ny antony? Satria i Jesosy dia Jiosy, ary ravehivavy dia Samaritanina. Ary ny ankamaroan’ny Jiosy dia tsy tia Samaritanina. Tsy hiresaka akory amin’izy ireny izy! Nefa i Jesosy dia tia ny karazan’olona rehetra. Koa hoy izy: ‘Raha fantatrao izay mangataka rano aminao, dia ianao no ho nangataka taminy ary ho nomeny rano manome fiainana ianao.’

‘Tompoko’, hoy ravehivavy, ‘lalina ny fantsakana, ary tsy manana siny akory ianao. Avy aiza no hahazoanao izany rano manome fiainana izany?’

‘Raha misotro rano avy amin’ity fantsakana ity ianao dia mbola hangetaheta ihany’, hoy ny fanazavan’i Jesosy. ‘Fa ny rano izay homeko dia afaka mamelona olona iray mandrakizay.’

‘Tompoko’, hoy ravehivavy, ‘omeo amin’izany rano izany aho! Dia tsy hangetaheta intsony mihitsy aho. Ary tsy hila ny hanketo intsony aho mba haka rano.’

Nihevitra ravehivavy fa niresaka ny amin’ny tena rano i Jesosy. Nefa niresaka ny amin’ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fanjakany izy. Tahaka ny rano manome fiainana io fahamarinana io. Afaka manome fiainana mandrakizay ho an’ny olona izany.

Hoy i Jesosy izao tamin’ilay vehivavy: ‘Andeha antsoy ny vadinao ary miverena.’

‘Tsy manambady aho’, hoy ny navaliny.

‘Marina ny navalinao’, hoy i Jesosy. ‘Nefa efa nanana vady dimy ianao, ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny.’

Gaga ilay vehivavy, satria marina izany rehetra izany. Ahoana no nahafantaran’i Jesosy ireo zavatra ireo? Satria i Jesosy no ilay Nampanantenaina nirahin’Andriamanitra, ary Andriamanitra no nanome azy izany fahalalana izany. Tamin’izay dia tonga ny mpianatr’i Jesosy, ary gaga izy ireo nahita azy niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina.

Inona no ianarantsika avy amin’izany rehetra izany? Mampiseho izany fa i Jesosy dia tsara fanahy tamin’ny olona avy amin’ny foko rehetra. Ary tokony ho toy izany koa isika. Tsy tokony hihevitra isika hoe ratsy ny olona sasany, satria avy amin’ny karazam-poko iray fotsiny izy. Irin’i Jesosy ny hahalalan’ny olona rehetra ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ary isika koa dia tokony haniry hanampy ny olona hahalala ny marina.