Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 92

Manangana ny Maty i Jesosy

Manangana ny Maty i Jesosy

NY ZAZAVAVY hitanao eto dia 12 taona. Mihazona ny tanany i Jesosy, ary mitsangana eo akaikiny ny reniny sy ny rainy. Fantatrao ve hoe nahoana no faly erỳ izy ireo? Aoka hojerentsika.

Ny rain-drazazavavy dia lehilahy fantatr’olona atao hoe Jairo. Indray andro dia narary ny zanany vavy, ary napetraka teo am-pandriana. Nefa tsy nihatsara izy. Vao mainka nihanarary hatrany izy. Very hevitra aoka izany i Jairo sy ny vadiny, satria toa ho faty ny zanakavavy keliny. Io no hany zanany vavy. Koa nandeha i Jairo nitady an’i Jesosy. Reny ny amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy.

Rehefa nahita an’i Jesosy i Jairo, dia nisy vahoaka betsaka nanodidina azy. Nefa namakivaky teo amin’ny vahoaka i Jairo ary nianjera teo an-tongotr’i Jesosy. ‘Marary mafy dia mafy ny zanako vavy’, hoy izy. ‘Mba tongava re manasitrana azy’, hoy ny fitalahoany. Nilaza i Jesosy fa ho avy izy.

Raha teny am-pandehanana izy ireo, dia nifanety nanakaiky azy ny vahoaka. Nijanona tampoka i Jesosy. ‘Iza no nikasika ahy?’, hoy ny fanontaniany. Tsapan’i Jesosy fa nisy hery nivoaka avy taminy, koa fantany fa nisy olona nikasika azy. Iza anefa? Izany dia vehivavy iray izay narary be nandritra ny 12 taona. Tonga teo izy mba hikasika ny fitafian’i Jesosy, ary sitrana!

Nahatonga an’i Jairo hahazoazo aina izany, satria hitany fa mora erỳ amin’i Jesosy ny nanasitrana olona iray. Nefa tonga ny iraka iray tamin’izay. ‘Aza manahirana intsony an’i Jesosy’, hoy izy tamin’i Jairo. ‘Maty ny zanakao vavy.’ Tsy nampanahy an’i Jesosy izany fa hoy izy tamin’i Jairo: ‘Aza matahotra, ho velona ny zanakao.’

Rehefa tonga tao an-tranon’i Jairo izy ireo tamin’ny farany, dia nahita ny olona nitomany tamin’alahelo lehibe. Nefa hoy i Jesosy: ‘Aza mitomany. Tsy maty ny zaza, fa matory.’ Nefa nihomehy izy ireo sady naneso an’i Jesosy, satria fantany fa maty izy.

Nentin’i Jesosy avy eo ny ray aman-drenin-drazazavavy sy telo tamin’ny apostoliny ho any amin’ny efitrano nandrian’ilay zaza. Noraisiny tamin’ny tanany ilay zazavavy ary hoy izy: ‘Miarena!’ Dia velona indray izy, araka izay hitanao eto. Ary niarina izy ka nandehandeha! Izany no antony maha-faly dia faly aoka izany ny rainy sy ny reniny.

Tsy io no olona voalohany natsangan’i Jesosy tamin’ny maty. Ny voalohany resahin’ny Baiboly dia ny zanakalahin’ny mpitondratena iray nonina tao amin’ny tanànan’i Naina. Tatỳ aoriana, i Jesosy dia nanangana koa an’i Lazarosy, anadahin’i Maria sy Marta, tamin’ny maty. Rehefa hanapaka amin’ny maha mpanjakan’Andriamanitra i Jesosy, dia hamerina indray ho amin’ny fiainana, olona maro dia maro efa maty. Tsy ho azontsika atao ve ny ho faly ny amin’izany?