Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 93

Namahana Olona Maro i Jesosy

Namahana Olona Maro i Jesosy

NISY zava-nanahirana nitranga. Vao avy novonoina i Jaona Mpanao Batisa. Tsy tia azy i Herodiasy, vadin’ny mpanjaka. Ary nataony izay hampanapahan’ny mpanjaka ny lohan’i Jaona.

Rehefa ren’i Jesosy izany, dia nalahelo aoka izany izy. Nankany amin’ny toerana mitokana iray izy irery. Nefa nanaraka azy ny olona. Rehefa hitan’i Jesosy ny vahoaka, dia nalahelo azy izy. Koa niresaka tamin’izy ireo ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy, ary nanasitrana ny marary teo aminy.

Iny hariva iny ny mpianany dia tonga teo aminy ary niteny hoe: ‘Efa diso aoriana izao, ary toerana mitokana ity. Ampodio ny olona mba hahafahany hividy sakafo ho azy eny amin’ny vohitra manodidina.’

‘Tsy mila mandeha izy’, hoy ny navalin’i Jesosy. ‘Omeonareo hohanina izy.’ Nitodika tany amin’i Filipo i Jesosy ary nanontany hoe: ‘Aiza no ahafahantsika mividy sakafo ampy mba hamahanana ireto olona rehetra ireto?’

‘Handany vola be dia be ny fividianana sakafo ampy hihinanan’ny tsirairay anjara kely avy’, hoy ny navalin’i Filipo. Nandray fitenenana i Andrea: ‘Ity zazalahy ity, izay mitondra ny sakafontsika, dia manana mofo dimy sy hazandrano roa. Nefa tsy ho ampy akory an’ireto olona rehetra ireto izany.’

‘Ilazao ny olona mba hipetraka amin’ny ahitra’, hoy i Jesosy. Dia nisaotra an’Andriamanitra noho ny sakafo izy, ary nanomboka nizara izany ho maromaro. Avy eo, dia nomen’ny mpianatra mofo sy hazandrano ny olona rehetra. Nisy lehilahy 5 000, ary vehivavy sy ankizy an’arivony maro hafa. Nihinana ambara-pahavokiny izy rehetra. Ary rehefa nanangona ny sisa tavela ny mpianatra, dia nahafeno sobiky 12 izany!

Izao dia nampandehanin’i Jesosy an-tsambokely ny mpianany mba ho erỳ andafin’ny ranomasin’i Galilia. Nandritra ny alina dia nisy tafiodrivotra lehibe ary nahilangilan’ny onja be ihany ilay sambokely. Natahotra aoka izany ny mpianatra. Avy eo, tamin’ny misasakalina, dia nahita olona iray nandeha nanatona azy ireo teny ambony rano izy. Niantsoantso izy ireo noho ny tahotra, satria tsy fantany izay nojereny.

‘Aza matahotra’, hoy i Jesosy. ‘Izaho ity!’ Mbola tsy afaka nino izany izy ireo. Koa hoy i Petera: ‘Tompoko, raha ianao marina io, dia asaovy manatona anao hiampita rano aho.’ Namaly i Jesosy hoe: ‘Manatòna!’ Dia nivoaka ny sambokely i Petera ary nandeha teo ambony rano! Dia nanjary natahotra izy ary nanomboka nilentika, nefa namonjy azy i Jesosy.

Tatỳ aoriana, i Jesosy dia namahana indray olona an’arivony maro. Tamin’izay dia mofo fito sy hazandrano madinika vitsivitsy no nanaovany izany. Ary dia nisy betsaka ho an’ny rehetra indray. Moa ve tsy mahatalanjona ny fomba nikarakaran’i Jesosy ny olona? Rehefa hanapaka amin’ny maha mpanjakan’Andriamanitra izy dia tsy hanahy ny amin’inona na inona intsony isika!