Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 94

Tia ny Ankizy Kely Izy

Tia ny Ankizy Kely Izy

JEREO i Jesosy eto misakambina an’ilay zazalahy amin’ny sandriny. Azonao lazaina fa tena miahy ny zazakely i Jesosy. Ireo lehilahy mandinika dia ny apostoliny. Inona no lazain’i Jesosy aminy? Aoka hojerentsika.

Vao avy tonga tamin’ny dia lavitra iray i Jesosy sy ny apostoliny. Teny an-dalana dia niady hevitra ireo apostoly. Koa nanontany azy ireo i Jesosy taorian’ny dia nanao hoe: ‘Inona no niadianareo hevitra teny an-dalana?’ Raha ny marina, dia fantatr’i Jesosy ny anton’ny adihevitra. Nefa nametraka fanontaniana izy mba hahitana raha hilaza izany aminy ny apostoly.

Tsy namaly ny apostoly, satria teny an-dalana izy dia niady hevitra ny amin’izay lehibe indrindra aminy. Ny apostoly sasany dia naniry ny hanan-kery kokoa noho ny hafa. Ahoana no fomba hilazan’i Jesosy amin’izy ireo fa tsy tsara ny maniry ny ho lehibe indrindra?

Nantsoiny ilay zazalahy kely, ary najorony teo anatrehan’izy rehetra. Hoy izy avy eo tamin’ny mpianany: ‘Tiako ho fantatrareo tsara fa raha tsy miova ianareo ary tonga tahaka ny ankizy kely, dia tsy hiditra na oviana na oviana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ny lehibe indrindra ao amin’ny fanjakana dia izay tonga tahaka ity zaza ity.’ Fantatrao ve ny antony nilazan’i Jesosy izany?

Eny, ny ankizy madinika dia tsy miahy ny amin’ny hahatongavana ho lehibe kokoa na manan-kery kokoa noho ny hafa. Koa tokony hianatra ny ho tonga sahala amin’ny zaza amin’io lafiny io ny apostoly, ary tsy hiady ny ho lehibe sy manan-kery.

Nisy fotoana hafa koa, nampisehoan’i Jesosy fa niahy be dia be ny ankizy kely izy. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nitondra ny zanany mba hahita an’i Jesosy ny olona sasany. Nitady hampihataka azy ireo ny apostoly. Nefa hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny: ‘Avelao ny zaza hanatona ahy, ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra.’ Notrotroin’i Jesosy ireo ankizy avy eo, ary nitsodrano azy izy. Moa ve tsy mahafinaritra ny mahafantatra fa tia ny ankizy kely i Jesosy?