Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 96

Nanasitrana ny Marary i Jesosy

Nanasitrana ny Marary i Jesosy

RAHA nandehandeha nanerana ilay tany i Jesosy, dia nanasitrana ny marary. Noresahina tao amin’ny vohitra sy ny tanàna teny amin’ny manodidina rehetra ny vaovao ny amin’ireo fahagagana ireo. Koa nentin’ny olona tany aminy ireo izay nandringa sy jamba ary marenina, mbamin’ny maro hafa koa izay narary. Dia nositranin’i Jesosy izy rehetra.

Maherin’ny telo taona izao no lasa hatramin’ny nanaovan’i Jaona batisa an’i Jesosy. Ary nilazan’i Jesosy ny apostoliny fa tsy ho ela izy dia hiakatra any Jerosalema izay hamonoana azy, ary hitsangana amin’ny maty avy eo. Mandra-pahatongan’izany dia nanohy nanasitrana ny marary i Jesosy.

Indray andro i Jesosy dia nampianatra tamin’ny Sabata. Ny Sabata dia andro iray fitsaharana ho an’ny Jiosy. Ny vehivavy hitanao eto dia narary be. Nandritra ny 18 taona izy dia nanjoko, ary tsy afaka nitraka. Dia nametraka ny tanany teo aminy i Jesosy, ary nanomboka nijoro izy. Sitrana izy!

Nahatonga ireo filoha ara-pivavahana ho tezitra izany. ‘Enina ny andro tokony hiasantsika’, hoy ny antsoantson’ny iray taminy tamin’ny vahoaka. ‘Ireo no andro azo anasitranana, fa tsy amin’ny Sabata!’

Nefa hoy ny navalin’i Jesosy: ‘Ry lehilahy ratsy fanahy. Na iza na iza aminareo dia hamaha ny borikiny ary hitondra azy hisotro rano amin’ny Sabata. Koa moa ve ity vehivavy mahantra ity, izay narary nandritra ny 18 taona, tsy tokony hositranina amin’ny Sabata?’ Nampahamenatra an’ireo lehilahy ratsy fanahy ireo ny valin-tenin’i Jesosy.

Tatỳ aoriana dia nandeha ho any Jerosalema i Jesosy sy ny apostoliny. Raha vao tafavoaka ny tanànan’i Jeriko izy ireo, dia ren’ny mpangataka roa jamba fa nandalo i Jesosy. Koa niantsoantso izy ireo hoe: ‘Jesosy ô, ampio izahay!’

Nantsoin’i Jesosy ireo lehilahy jamba ary nanontaniany hoe: ‘Inona no tianareo hataoko aminareo?’ Hoy izy: ‘Tompo ô, aoka mba hampahiratina ny masonay.’ Nikasika ny mason’izy ireo i Jesosy, ary nahiratra avy hatrany izy ireo! Fantatrao ve ny antony nanaovan’i Jesosy ireny fahagagana mahatalanjona rehetra ireny? Satria tiany ny olona ary niriny ny hananan’izy ireny finoana azy. Ary araka izany, dia afaka matoky isika fa rehefa manapaka amin’ny maha Mpanjaka izy dia tsy hisy olona harary indray eto an-tany.