Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 98

Teo Amin’ny Tendrombohitra Oliva

Teo Amin’ny Tendrombohitra Oliva

I JESOSY io eo amin’ny Tendrombohitra Oliva io. Ireo lehilahy efatra miaraka aminy dia apostoliny. I Andrea sy Petera mpirahalahy, ary koa i Jakoba sy Jaona mpirahalahy ireo. Ny tempolin’Andriamanitra ao Jerosalema no hitanao erỳ lavidavitra.

Roa andro izay no lasa hatramin’ny nitaingenan’i Jesosy zana-boriky niditra tao Jerosalema. Talata izao. Teo amin’ny fiandohan’ny andro dia tao amin’ny tempoly i Jesosy. Tao ny mpisorona dia nitady hihazona azy mba hamono azy. Nefa natahotra ny hanao izany izy ireo satria tian’ny olona i Jesosy.

‘Ry bibilava, taranaky ny menarana!’ Izany no niantsoan’i Jesosy an’ireo filoha ara-pivavahana. Avy eo dia nilaza i Jesosy fa hanasazy azy ireo Andriamanitra noho ny zava-dratsy rehetra nataony. Taorian’izany dia tonga teo amin’ny Tendrombohitra Oliva i Jesosy, ary nanomboka nametraka fanontaniana taminy ireo apostoly efatra ireo. Fantatrao ve izay nanontaniany an’i Jesosy?

Nanontany zavatra momba ny hoavy ny apostoly. Fantany fa hamarana ny faharatsiana rehetra eto an-tany i Jesosy. Nefa niriny ny hahalala hoe rahoviana no hitranga izany. Rahoviana i Jesosy no ho tonga indray hanapaka amin’ny maha Mpanjaka?

Fantatr’i Jesosy fa tsy ho afaka hahita azy ireo mpanara-dia azy eto an-tany rehefa ho tonga indray izy. Ny antony dia satria any an-danitra izy amin’izay, ary tsy ho afaka hahita azy any izy ireo. Koa nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny ny sasany amin’ireo zavatra hitranga eto an-tany rehefa hanapaka amin’ny maha Mpanjaka any an-danitra izy. Inona ny sasany amin’ireo zavatra ireo?

Nilaza i Jesosy fa hisy ady lehibe, olona maro no harary sy ho noana, ary hisy horohoron-tany lehibe. Nilaza koa i Jesosy fa hotorina manerana ny tany ny vaovao tsara momba ny fanjakan’Andriamanitra. Hitantsika mitranga amin’ny androntsika ve ireo zavatra ireo? Eny! Ary afaka matoky isika fa manapaka any an-danitra i Jesosy ankehitriny. Tsy ho ela dia hamarana ny faharatsiana rehetra eto an-tany izy.