Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 99

Tao Amin’ny Efitra Ambony Rihana

Tao Amin’ny Efitra Ambony Rihana

IZAO dia ny alakamisy alina, roa andro tatỳ aoriana. Tonga teto amin’ity efitra malalaka ambony rihana ity Jesosy sy ny apostoliny 12 mba hihinana ny sakafon’ny Paska. Ny lehilahy tazanao lasa dia i Jodasy Iskariota. Ho any amin’ny mpisorona izy mba hilaza ny fomba azon’izy ireo isamborana an’i Jesosy.

Vao ny omalin’iny, i Jodasy dia nankany amin’izy ireo ary nanontany hoe: ‘Inona no homenareo ahy raha manampy anareo aho hisambotra an’i Jesosy?’ Hoy izy ireo: ‘Sekely volafotsy telopolo.’ Koa lasa nankany amin’ireo olona ireo izao i Jodasy mba hahafahany hitarika azy ho any amin’i Jesosy. Moa ve tsy mahatsiravina izany?

Vita ny sakafon’ny Paska. Nefa manomboka sakafo manokana hafa iray izao i Jesosy. Nanolotra mofo ny apostoliny izy ary niteny hoe: ‘Hano ity, satria manambara ny tenako izay homena anareo.’ Avy eo dia nanolotra azy ireo kapoaka misy divay izy ary niteny hoe: ‘Sotroy ity, satria manambara ny rako, izay halatsaka ho anareo.’ Antsoin’ny Baiboly hoe ‘ny sakafo harivan’ny Tompo’ na ‘fanasan’ny Tompo’, izany.

Nihinana ny Paska ny Israelita mba hampahatsiaro azy ny fotoana ‘nandalovan’ny’ anjelin’Andriamanitra ny tranon’izy ireo tany Ejipta, nefa namonoany ny lahimatoa tao amin’ireo tranon’ny Ejipsianina. Izao anefa dia tian’i Jesosy ny mpanara-dia azy hahatsiaro azy, sy ny fomba nanomezany ny ainy ho azy ireo. Ary izany no antony nilazany tamin’izy ireo mba hankalaza io sakafo manokana io isan-taona.

Taorian’ny fihinanana ny Sakafo Harivan’ny Tompo, i Jesosy dia nilaza tamin’ny apostoliny mba ho be herim-po sy hatanjaka ao amin’ny finoana. Farany, dia nihira fihirana ho an’Andriamanitra izy ireo ary dia lasa. Efa alina be izao, angamba aorian’ny misasakalina. Aoka hojerentsika izay halehan’izy ireo.

Matio 26:14-30; Lioka 22:1-39; Jaona 13-17 toko faha-13 ka hatramin’ny faha-17; 1 Korintianina 11:20.