Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 100

Jesosy Tao An-jaridaina

Jesosy Tao An-jaridaina

REHEFA nandao ny efitra ambony rihana i Jesosy sy ny apostoliny, dia nankany amin’ny zaridainan’i Getsemane. Efa nanketo imbetsaka izy ireo teo aloha. Izao i Jesosy dia nilaza tamin’izy ireo mba hiambina sy hivavaka. Dia nihataka lavidavitra kely izy ary niankohoka tamin’ny tany mba hivavaka.

Taorian’izany dia niverina teo amin’izay nisy ny apostoliny i Jesosy. Inona no heverinao fa nataon’izy ireo? Natory izy! Intelo i Jesosy no nilaza taminy fa tokony hiambina izy ireo, nefa isaky ny miverina izy dia nahita azy ireo matory. ‘Ahoana no mbola atorianareo amin’ny fotoana toy izao?’, hoy i Jesosy tamin’ny fotoana farany niverenany. ‘Tonga ny fotoana hanolorana ahy amin’ny fahavaloko.’

Tamin’izay indrindra no re ny tabataban’ny vahoaka maro. Jereo! Tonga ny olona mitondra sabatra sy langilangy! Ary mitondra fanilo izy mba hanome hazavana azy. Rehefa nanakaiky izy ireo, dia nisy olona iray nivoaka avy ao amin’ny vahoaka ary nanatona avy hatrany an’i Jesosy. Nanoroka an’i Jesosy izy, araka ny hitanareo eto. I Jodasy Iskariota io lehilahy io! Nahoana izy no manoroka an’i Jesosy?

Nanontany i Jesosy hoe: ‘Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ahy?’ Eny, ny fanorohana dia famantarana. Nahatonga ireo olona niaraka tamin’i Jodasy izany hahafantatra fa io no Jesosy, ilay lehilahy notadiaviny. Koa nandroso ireo fahavalon’i Jesosy mba hihazona azy. Nefa i Petera dia tsy hamela azy ireo hisambotra an’i Jesosy tsy misy ady. Notsoahiny ny sabatra izay nentiny ary namely ny lehilahy teo akaikiny izy. Tsy nahavoa ny lohan’ilay lehilahy ny sabatra fa nanapaka ny sofiny ankavanana kosa. Nefa nokasihin’i Jesosy ny sofin’ilay lehilahy ary nositraniny.

Hoy i Jesosy tamin’i Petera: ‘Avereno amin’ny toerany ny sabatrao. Tsy fantatrao va fa afaka mangataka amin’ny Raiko anjely an’arivony maro aho mba hamonjy ahy?’ Eny, afaka nanao izany izy! Nefa tsy nangataka anjely tamin’Andriamanitra i Jesosy, satria fantany fa tonga izao ny fotoana hisamboran’ny fahavalony azy. Koa navelany izy ireo hitondra azy. Aoka hojerentsika izay hitranga amin’i Jesosy izao.