Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 101

Novonoina i Jesosy

Novonoina i Jesosy

JEREO ny zava-mahatsiravina mitranga! Novonoina i Jesosy. Nahantona teo amin’ny hazo izy. Nofantsihana ny tanany sy ny tongony. Nahoana no nisy olona naniry hanao izao tamin’i Jesosy?

Satria nankahala an’i Jesosy ny olona sasany. Fantatrao ve hoe iza izy ireo? Ny iray aminy dia i Satana Devoly ilay anjely ratsy. Izy no ilay nahataona an’i Adama sy Eva tsy hankatò an’i Jehovah. Ary i Satana no ilay nitarika ireo fahavalon’i Jesosy hanatanteraka izao heloka bevava mahatsiravina izao.

Na dia talohan’ny namantsihana an’i Jesosy tamin’ny hazo teto aza, ireo fahavalony dia efa nanao zavatra nampiseho hasomparana taminy. Tsaroanao ve ny fomba nahatongavany tao amin’ny zaridainan’i Getsemane sy nisamborany azy? Iza moa ireo fahavalony ireo? Eny, ny filoha ara-pivavahana ireo. Aoka ange hojerentsika izay nitranga manaraka e.

Rehefa nentin’ireo filoha ara-pivavahana i Jesosy, ny apostoliny dia nandositra. Nandao an’i Jesosy ho irery niaraka tamin’ireo fahavalony izy, satria natahotra. Nefa ny apostoly Petera sy Jaona dia tsy nandeha lavitra. Nanaraka teny izy mba hahita izay nitranga tamin’i Jesosy.

Ireo mpisorona dia nitondra an’i Jesosy tany amin’ny zokiolona iray natao hoe Anasy, izay mpisoronabe taloha. Tsy nijanona ela teto ny vahoaka. Avy eo izy dia nitondra an’i Jesosy tany an-tranon’i Kaiafa, izay mpisoronabe tamin’izay. Filoha ara-pivavahana maro no niangona tao an-tranony.

Tao an-tranon’i Kaiafa dia nisy fitsarana. Nisy olona naroso teo mba hilaza lainga momba an’i Jesosy. Hoy ny filoha ara-pivavahana rehetra: ‘Tokony hovonoina i Jesosy.’ Nandrora tamin’ny tarehiny izy ireo avy eo, ary nikapoka azy tamin’ny totohondriny.

Nandritra izany rehetra izany, dia tao amin’ny tokotany ivelany i Petera. Nangatsiaka ny alina tamin’izay, koa dia nandrehitra afo ny olona. Raha mbola nitanina afo nanodidina izy ireo, dia nijery an’i Petera ny ankizivavy iray ary niteny hoe: ‘Niaraka tamin’i Jesosy koa io lehilahy io.’

‘Tsia, tsy niaraka taminy aho!’, hoy ny navalin’i Petera.

Intelo ny olona no niteny tamin’i Petera fa niaraka tamin’i Jesosy izy. Nefa namaly hatrany Petera fa tsy marina izany. Tamin’ny namaliany fanintelony, dia nitodika i Jesosy ary nijery an’i Petera. Nalahelo aoka izany i Petera noho ny nitenenany ireo lainga ireo, ary lasa nandeha izy sady nitomany.

Raha vao niposaka ny andro ny zoma maraina, ireo mpisorona dia nitondra an’i Jesosy tany amin’ny toerana fanaovany fivoriana lehibe, dia ny efitranon’ny Synedriona. Tao no niresahan’izy ireo izay hataony aminy. Nentiny tany amin’i Pontio Pilato, mpanapaka ny distrikan’i Jodia, izy.

‘Lehilahy ratsy fanahy io’, hoy ireo mpisorona tamin’i Pilato. ‘Tokony hovonoina izy.’ Rehefa avy nametraka fanontaniana tamin’i Jesosy i Pilato, dia niteny hoe: ‘Tsy hitako izay ratsy nataony.’ Avy eo i Pilato dia naniraka an’i Jesosy ho any amin’i Heroda Antipasy. Heroda no mpanapaka an’i Galilia, nefa tao Jerosalema izy tamin’izay. Tsy nahita izay ratsy nataon’i Jesosy koa i Heroda, ka dia namerina azy tany amin’i Pilato.

Naniry handefa an’i Jesosy i Pilato. Nefa ireo fahavalon’i Jesosy dia naniry handefa mpifatotra hafa iray fa tsy izy. Barabasy jiolahy izany olona izany. Efa ho tamin’ny roa ambin’ny folo ora antoandro izao raha nitondra an’i Jesosy teo ivelany i Pilato. Hoy izy tamin’ny olona: ‘Indro ny mpanjakanareo!’ Nefa hoy ny kiakiakan’ireo lohan’ny mpisorona: ‘Esory tsy ho amin’ny tany izy! Vonoy izy! Vonoy izy!’ Koa navelan’i Pilato ho afaka i Barabasy, ary nentin’izy ireo i Jesosy mba hovonoina.

Teo am-panombohan’ny tolakandron’ny zoma no nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazo. Tsy tazanao eto amin’ny sary, fa teo an-daniny roa amin’i Jesosy dia nisy koa jiolahy iray avy, novonoina teo amin’ny hazo. Fotoana fohy talohan’ny hahafatesan’i Jesosy, ny iray tamin’ireo jiolahy dia niteny taminy hoe: ‘Tsarovy aho rehefa miditra ao amin’ny fanjakanao ianao.’ Dia namaly i Jesosy hoe: ‘Mampanantena anao aho fa hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao.’

Moa ve tsy fampanantenana mahatalanjona izany? Fantatrao ve hoe paradisa inona no noresahin’i Jesosy? Taiza moa ny paradisa nataon’Andriamanitra tamin’ny voalohany? Eny, teto an-tany izany. Ary rehefa hanapaka amin’ny maha mpanjaka any an-danitra i Jesosy, dia hamerina indray izany lehilahy izany ho amin’ny fiainana izy mba hifaly amin’ny Paradisa vaovao eto an-tany. Tsy mahasambatra antsika ve izany?