Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 7

Hatreo Amin’ny Fitsanganan’i Jesosy ka Hatramin’ny Fanaovana An’i Paoly An-tranomaizina

Hatreo Amin’ny Fitsanganan’i Jesosy ka Hatramin’ny Fanaovana An’i Paoly An-tranomaizina

Tamin’ny andro fahatelo taorian’ny nahafatesany no nananganana an’i Jesosy. Tamin’io andro io izy dia niseho indimy tamin’ny mpianany. Mbola niseho tamin’izy ireo ihany izy nandritra ny 40 andro. Avy eo, raha mbola teo am-pandinihana ny sasany tamin’ireo mpianany, dia niakatra ho any an-danitra i Jesosy. Folo andro tatỳ aoriana dia nalatsak’Andriamanitra ny fanahy masina teo amin’ny mpianatr’i Jesosy niandry tao Jerosalema.

Tatỳ aoriana ireo fahavalon’Andriamanitra dia nampiditra ny apostoly tao an-tranomaizina, nefa nanafaka azy ny anjely iray. Nitora-bato nahafaty an’i Stefana mpianatra ireo mpanohitra. Nefa hianarantsika ny fomba nifidianan’i Jesosy ny iray tamin’ireo mpanohitra ireo mba ho mpanompony manokana, ary tonga ny apostoly Paoly izy io. Manaraka izany, telo taona sy tapany taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, Andriamanitra dia naniraka ny apostoly Petera mba hitory tamin’i Kornelio tsy Jiosy sy ny ankohonany.

Eo amin’ny 13 taona taorian’izany i Paoly dia nanomboka ny dia misionerany voalohany. Tamin’ny diany faharoa dia niaraka tamin’i Paoly i Timoty. Hianarantsika ny fomba nahitan’i Paoly sy ny mpiray dia taminy fisehoan-javatra nahavariana maro teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Farany, dia natao an-tranomaizina i Paoly tany Roma. Roa taona taorian’izay dia nafahana izy, nefa dia natao an-tranomaizina indray tatỳ aoriana ary novonoina. Ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Fizarana FAHAFITO dia nitranga nandritra ny fe-potoana eo amin’ny 32 taona.