Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 102

Velona i Jesosy

Velona i Jesosy

FANTATRAO ve hoe iza io vehivavy io sy ireo lehilahy roa ireo? I Maria Magdalena naman’i Jesosy, ilay vehivavy. Ary ireo lehilahy miakanjo fotsy dia anjely. Ilay efitrano kely izay jeren’i Maria ny ao anatiny dia ny toerana nametrahana ny fatin’i Jesosy taorian’ny nahafatesany.

Rehefa maty i Jesosy, dia hoy ireo mpisorona tamin’i Pilato: ‘Fony fahavelon’i Jesosy dia nilaza izy fa hatsangana rehefa afaka telo andro. Koa mandidia mba hiambenana ny fasana. Amin’izay ny mpianany dia tsy afaka mangalatra ny fatiny sy milaza fa natsangana tamin’ny maty izy!’ Nanambara tamin’ireo mpisorona i Pilato fa haniraka miaramila hiambina ny fasana.

Nefa, vao maraina koa tamin’ny andro fahatelo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia tonga tampoka ny anjelin’i Jehovah iray. Nakodiany ny vato varavaram-pasana. Natahotra aoka izany ireo miaramila ka tsy afa-nihetsika. Farany, rehefa nijery tao am-pasana izy ireo, dia tsy tao ny faty! Nankany an-tanàna ny miaramila sasany ary nanambara izany tamin’ny mpisorona. Fantatrao ve izay nataon’ireo mpisorona ratsy fanahy? Nokaramainy ny miaramila mba handainga. ‘Lazao hoe tonga tao ny mpianatra tamin’ny alina, raha mbola natory izahay, ary nangalatra ny faty’, hoy ireo mpisorona tamin’ny miaramila.

Tamin’izay koa, ny vehivavy sasany naman’i Jesosy dia nitsidika ny fasana. Endrey ny hagagany nahita fa foana izany! Tampotampoka teo, dia nisy anjely roa niseho tamin’ny fitafiana namirapiratra. ‘Nahoana ianareo no mitady an’i Jesosy eto?’, hoy ny fanontanian’izy ireo. ‘Efa natsangana izy. Mandehana haingana manambara izany amin’ny mpianany.’ Akory ny hafaingan’ny fihazakazak’ireo vehivavy! Nefa teny an-dalana dia nisy lehilahy iray nanakana azy ireo. Fantatrao ve hoe iza io? I Jesosy io! ‘Andeha ilazao ny mpianatro’, hoy izy.

Rehefa nilaza tamin’ny mpianatra ireo vehivavy fa velona i Jesosy ary nahita azy izy ireo, dia nihevitra izany ho sarotra inoana ny mpianatra. Nihazakazaka nankany amin’ny fasana i Petera sy Jaona mba hahita mihitsy, nefa dia foana ny fasana! Rehefa lasa i Petera sy Jaona, i Maria Magdalena dia mbola nijanona. Tamin’izay no nijery tao anatiny izy ary nahita ireo anjely roa.

Fantatrao ve izay nitranga tamin’ny vatan’i Jesosy? Nataon’Andriamanitra izay hanjavonan’izany. Andriamanitra akory tsy namelona indray an’i Jesosy tao amin’ny tena ara-nofo izay nahafatesany. Nanome an’i Jesosy tena vaovao ara-panahy Izy, sahala amin’ny ananan’ny anjely any an-danitra. Nefa mba hampisehoana amin’ny mpianany fa velona izy, i Jesosy dia afaka nitafy vatana izay azon’ny olona nojerena, araka ny mbola hianarantsika.