Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 103

Miditra ao Amin’ny Efitrano Mihidy

Miditra ao Amin’ny Efitrano Mihidy

REHEFA avy nandao ny fasana nisy ny vatan’i Jesosy i Petera sy Jaona, dia nijanona irery teo i Maria. Nanomboka nitomany izy. Dia niondrika izy ary nijery tao anatin’ny fasana, araka ny nahitantsika azy teo amin’ny sary farany. Nahita anjely roa tao izy! Nanontany azy izy ireo hoe: ‘Nahoana ianao no mitomany?’

Namaly i Maria hoe: ‘Nangalarin’ny olona ny Tompoko, ary tsy fantatro izay nametrahany azy.’ Avy eo dia nitodika i Maria ary nahita lehilahy iray. Nanontany an’i Maria izy hoe: ‘Iza no tadiavinao?’

Noheverin’i Maria ho ny mpiandry saha ilay lehilahy, ka nety ho naka ny vatan’i Jesosy. Koa hoy izy: ‘Raha ianao no naka azy, lazao ahy izay nametrahanao azy.’ Raha ny marina anefa, dia i Jesosy io lehilahy io. Nitafy vatana iray tsy fantatr’i Maria izy. Nefa rehefa niantso azy tamin’ny anarany izy, dia fantatr’i Maria fa i Jesosy. Nihazakazaka izy ary nanambara tamin’ny mpianatra hoe: ‘Nahita ny Tompo aho!’

Tamin’ny faramparan’ny andro, raha teny am-pandehanana ho any an-tanànan’i Emaosy ny mpianatra roa, dia nisy lehilahy iray niaraka tamin’izy ireo. Nalahelo aoka izany ireo mpianatra satria novonoina i Jesosy. Nefa raha mbola niara-dia izy ireo, ilay lehilahy dia nanazava zavatra maro avy ao amin’ny Baiboly, ka nahatonga azy ireo ho velombelona izany. Farany, rehefa nijanona mba hisakafo izy, dia fantatry ny mpianatra fa i Jesosy io lehilahy io. Taorian’izay dia nanjavona i Jesosy, ary niverina haingana nankany Jerosalema ireo mpianatra roa ireo mba hilaza amin’ny apostoly ny momba azy.

Tao anatin’izany, i Jesosy dia niseho koa tamin’i Petera. Ravoravo ny hafa rehefa nahare izany. Dia nankany Jerosalema ireo mpianatra roa ary nahita ny apostoly. Nolazainy taminy ny fomba nisehoan’i Jesosy koa tamin’izy ireo teny an-dalana. Ary raha mbola teo am-pitenenana izany izy, fantatrao ve ny zava-mahatalanjona nitranga?

Jereo ny sary. Miseho ao amin’ilay efitrano mihitsy i Jesosy, na dia mihidy aza ny varavarana. Endrey ny hafalian’ny mpianatra! Moa ve tsy andro nampihetsi-po izany? Azonao isaina ve ny isan’ny fotoana nisehoan’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy hatramin’izao? Manisa indimy ve ianao?

Tsy teo amin’izy ireo ny apostoly Tomasy rehefa niseho i Jesosy. Koa hoy ny mpianatra taminy: ‘Nahita ny Tompo izahay!’ Nefa nilaza i Tomasy fa mila ny mahita an’i Jesosy ny tenany vao afaka mino izany. Eny, valo andro tatỳ aoriana dia tafaraka indray tao amin’ny efitrano iray mihidy ny mpianatra, ary teo i Tomasy tamin’izay. Tampoka teo dia niseho tao amin’ilay efitrano i Jesosy. Nino amin’izay i Tomasy.