Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 104

Niverina ho any An-danitra i Jesosy

Niverina ho any An-danitra i Jesosy

ARAKA ny fandehan’ireo andro, dia niseho imbetsaka tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy. Indray mandeha dia eo amin’ny mpianatra 500 no nahita azy. Rehefa niseho tamin’izy ireo izy, fantatrao ve izay noresahin’i Jesosy taminy? Ny fanjakan’Andriamanitra. Naniraka an’i Jesosy tetỳ an-tany i Jehovah mba hampianatra ny amin’ilay Fanjakana. Ary nanohy nanao izany izy na dia taorian’ny nananganana azy tamin’ny maty aza.

Tsaroanao ve hoe inona moa ny fanjakan’Andriamanitra? Eny, ny Fanjakana dia fitondram-panjakana tena misy an’Andriamanitra any an-danitra, ary i Jesosy no ilay nofidin’Andriamanitra mba ho mpanjaka. Araka ny efa nianarantsika, i Jesosy dia nampiseho fa ho mpanjaka mahatalanjona aoka izany izy rehefa hanome hanina ny noana, hanasitrana ny marary, ary hanangana mihitsy ny maty ho amin’ny fiainana aza!

Koa rehefa hanapaka amin’ny maha mpanjaka any an-danitra mandritra ny arivo taona i Jesosy, ho sahala amin’inona moa ny tany? Eny, ho lasa paradisa tsara tarehy iray ny tany manontolo. Tsy hisy ady intsony, na heloka bevava, na aretina, na fahafatesana aza. Fantatsika fa marina izany, satria noforonin’Andriamanitra ny tany mba ho paradisa hifalian’ny olona. Izany no antony nanaovany ny zaridainan’i Edena tany am-boalohany. Ary hataon’i Jesosy izay hahatanterahan’ny zavatra irin’Andriamanitra ho vita amin’ny farany.

Tonga izao ny fotoana hiverenan’i Jesosy any an-danitra. Niseho tamin’ny mpianany izy nandritra ny 40 andro. Azon’izy ireo antoka àry fa velona indray izy. Nefa talohan’ny handaozany ny mpianany dia hoy izy taminy: ‘Mitoera ao Jerosalema ambara-pandrainareo fanahy masina.’ Ny fanahy masina dia hery miasan’Andriamanitra, sahala amin’ny rivotra mitsoka, izay hanampy ny mpanara-dia azy hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Farany, dia hoy i Jesosy: ‘Tsy maintsy mitory ahy hatrany amin’ny faran’ny tany ianareo.’

Rehefa avy nilaza izany i Jesosy, dia nisy zava-mahagaga nitranga. Nanomboka niakatra ho any an-danitra izy, araka ny hitanao eto. Avy eo dia nisy rahona nanakona azy tsy ho hitan’ny maso, ary tsy nahita an’i Jesosy intsony ny mpianatra. Nankany an-danitra i Jesosy, ary nanomboka nanjaka teo amin’ny mpanara-dia azy teto an-tany avy any.