Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 107

Notoraham-bato i Stefana

Notoraham-bato i Stefana

I STEFANA ilay lehilahy mandohalika eto. Mpianatra mahatokin’i Jesosy izy. Nefa jereo izay mitranga aminy izao! Mitora-bato lehibe azy ireo lehilahy ireo. Nahoana moa izy ireo no nankahala an’i Stefana aoka izany ka nanao izao zava-mahatsiravina izao? Aoka hojerentsika.

Andriamanitra dia nanampy an’i Stefana mba hanao fahagagana mahatalanjona. Tsy tian’ireo lehilahy ireo izany, koa dia niady hevitra taminy izy momba ny fampianarany ny vahoaka ny fahamarinana. Nefa Andriamanitra dia nanome fahendrena lehibe an’i Stefana, ary nasehon’i Stefana fa nampianatra zava-diso ireo lehilahy ireo. Vao mainka nahatezitra azy ireo izany. Nisambotra an’i Stefana àry izy, ary niantso olona mba hilaza lainga momba azy.

Nanontany an’i Stefana ny mpisoronabe hoe: ‘Marina va ireo zavatra ireo?’ Namaly i Stefana tamin’ny fanomezana lahateny tsara dia tsara avy ao amin’ny Baiboly. Teo am-pamaranana izany, dia nambarany ny fomba nankahalan’olona ratsy fanahy an’ireo mpaminanin’i Jehovah fahiny. Hoy izy avy eo: ‘Tsy misy hafa amin’ireny olona ireny ianareo. Namono an’i Jesosy mpanompon’Andriamanitra ianareo, ary tsy nankatò ny lalàn’Andriamanitra.’

Nahatezitra aoka izany an’ireo filoha ara-pivavahana ireo izany! Nihidy vazana noho ny fahasosorana izy. Nefa nitraka i Stefana, ary niteny hoe: ‘Indro! Hitako i Jesosy mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra any an-danitra.’ Tamin’izay ireo lehilahy ireo dia nanampina ny sofiny tamin’ny tanany ary nirohotra namely an’i Stefana. Nohazoniny izy ary notarihiny ho any ivelan’ny tanàna.

Teto dia nesoriny ny kapaotin’izy ireo ary nasainy nambenan’i Saoly zatovo. Hitanao ve i Saoly? Avy eo dia nanomboka nitora-bato an’i Stefana ny olona sasany. Nandohalika i Stefana, araka ny azonao jerena eto, ary nivavaka tamin’Andriamanitra hoe: ‘Jehovah ô, aza manasazy azy noho izao zava-dratsy izao.’ Fantany fa nofitahin’ny filoha ara-pivavahana ny sasany tamin’izy ireo. Taorian’izay dia maty i Stefana.

Rehefa misy olona manisy ratsy anao, moa ve ianao mitady izay hamaliana azy ireny, na mangataka amin’Andriamanitra mba hitondra fahavoazana ho azy ireny? Tsy mba izany no nataon’i Stefana na i Jesosy. Nampiseho hatsaram-panahy izy na dia tamin’ireo tsy tsara fanahy taminy aza. Aoka isika hiezaka hanahaka ny ohatra navelan’izy ireo.