Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 109

Nitsidika An’i Kornelio i Petera

Nitsidika An’i Kornelio i Petera

I PETERA apostoly io mitsangana eo io, ary ny sasany amin’ny namany ireo eo andamosiny. Nefa nahoana ilay lehilahy no miankohoka amin’i Petera? Tokony hanao izany ve izy? Fantatrao ve hoe iza io?

Ilay lehilahy dia i Kornelio. Manamboninahitra ao amin’ny tafika romanina izy. Tsy mahafantatra an’i Petera i Kornelio, nefa nilazana izy mba hanasa azy ho ao an-tranony. Andeha hojerentsika ny fomba nitrangan’izany.

Ireo mpanara-dia voalohany an’i Jesosy dia Jiosy, nefa i Kornelio dia tsy Jiosy. Tia an’Andriamanitra anefa izy, nivavaka taminy ary nanao zavatra maro nampiseho hatsaram-po ho an’ny olona. Eny, indray tolakandro dia niseho taminy ny anjely iray ary niteny hoe: ‘Ankasitrahan’Andriamanitra ianao, ary hihaino ny vavakao izy. Maniraha olona haka ny lehilahy iray atao hoe Petera. Mitoetra any Jopa izy, ao an-tranon’i Simona, ary monina eo amoron-dranomasina.’

Eny, avy hatrany i Kornelio dia naniraka lehilahy sasany hitady an’i Petera. Ny andro nanaraka, rehefa nanakaiky an’i Jopa ireo lehilahy, i Petera dia teo amin’ny tampony fisaka amin’ny tranon’i Simona. Teo dia nataon’Andriamanitra izay hieritreretan’i Petera fa nahita lamba lehibe nidina avy any an-danitra izy. Nisy ny karazam-biby rehetra tao anatin’ilay lamba. Araka ny lalàn’Andriamanitra, dia naloto tsy azo nohanina ireo biby ireo, ary anefa dia nisy feo nanao hoe: ‘Mitsangàna, ry Petera. Vonoy ary hano.’

‘Tsia!’, hoy ny navalin’i Petera. ‘Tsy mbola nihinana izay tsy madio aho.’ Nefa hoy ilay feo tamin’i Petera: ‘Aza antsoina intsony hoe maloto izay lazain’Andriamanitra fa madio, ankehitriny.’ Intelo no nitranga izany. Raha mbola nanontany tena ny amin’ny hevitr’izany rehetra izany i Petera, dia tonga tao an-trano ireo lehilahy nirahin’i Kornelio ary nitady an’i Petera.

Nidina i Petera ary niteny hoe: ‘Izaho no lehilahy izay tadiavinareo. Inona no antony nahatongavanareo?’ Rehefa nanazava ireo lehilahy fa nisy anjely iray nilaza tamin’i Kornelio mba hanasa an’i Petera ho ao an-tranony, dia nanaiky ny hiara-mandeha amin’izy ireo i Petera. Ny ampitso dia niainga i Petera sy ny namany mba hitsidika an’i Kornelio tany Kaisaria.

Namory ny havany sy ny namany akaiky i Kornelio. Rehefa tonga i Petera dia nihaona taminy i Kornelio. Nianjera tamin’ny tany izy ary niankohoka tamin’ny tongotr’i Petera, araka ny hitanao eto. Nefa hoy i Petera: ‘Miarena; olona ihany aho.’ Eny, mampiseho ny Baiboly fa tsy mety ny miankohoka sy mivavaka amin’olona iray. I Jehovah irery ihany no tokony hivavahantsika.

Nitory tamin’ireo olona tafavory ireo izao i Petera. ‘Hitako fa raisin’Andriamanitra ny olona rehetra izay maniry hanompo azy’, hoy i Petera. Ary raha mbola niteny izy, Andriamanitra dia nandefa ny fanahiny masina, ary nanomboka niteny tamin’ny fiteny samihafa ny olona. Izany dia nahatalanjona ireo mpianatra jiosy izay niaraka tamin’i Petera, satria nieritreritra izy ireo fa ny Jiosy irery ihany no nankasitrahan’Andriamanitra. Koa nampianatra azy ireo izany fa Andriamanitra dia tsy mihevitra ny olona avy amin’ny foko iray ho tsara kokoa na lehibe kokoa amin’Andriamanitra noho ny olona avy amin’ny foko hafa iray. Moa ve tsy zavatra tsara tokony hotadidintsika rehetra izany?