Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 110

Timoty: Mpanampy Vaovao An’i Paoly

Timoty: Mpanampy Vaovao An’i Paoly

ILAY zatovolahy hitanao eto miaraka amin’ny apostoly Paoly dia i Timoty. Nipetraka niaraka tamin’ny fianakaviany tao Lystra i Timoty. I Eonika no anaran-dreniny ary i Loisa no renibeny.

Fanintelony izao no nitsidihan’i Paoly an’i Lystra. Herintaona teo ho eo talohan’izao, i Paoly sy Barnabasy dia tonga voalohany teto tamin’ny dia iray nanaovany fitoriana. Ary niverina indray izao i Paoly niaraka tamin’i Silasy namany.

Fantatrao ve izay lazain’i Paoly amin’i Timoty? ‘Tianao ve ny hiaraka amin’i Silasy sy amiko?’, hoy ny fanontaniany. ‘Afaka mitondra ny fanampianao ianao amin’ny fitoriana amin’ny olona any an-toeran-davitra.’

‘Eny’, hoy ny valin-tenin’i Timoty, ‘maniry handeha aho.’ Koa vetivety taorian’izay dia nandao ny fianakaviany i Timoty ary nandeha niaraka tamin’i Paoly sy Silasy. Nefa, alohan’ny hianarantsika ny amin’ny dian’izy ireo, dia aoka hojerentsika izay nitranga tamin’i Paoly. Fito ambin’ny folo taona teo ho eo izao no lasa hatramin’ny nisehoan’i Jesosy taminy teny an-dalana ho any Damaskosy.

Tadidio fa tonga tany Damaskosy i Paoly mba hanenjika ny mpianatr’i Jesosy, nefa ankehitriny dia mpianatra koa izy! Tatỳ aoriana dia nikasa hamono an’i Paoly ny fahavalo sasany satria tsy tian’izy ireo ny fampianarany momba an’i Jesosy. Nefa nanampy an’i Paoly mba handositra ny mpianatra. Nataony tao anaty sobiky izy ary nampidininy tany ivelan’ny mandan’ny tanàna.

Taorian’izany i Paoly dia nankany Antiokia mba hitory. Tao no niantsoana voalohany an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy hoe Kristianina. Avy eo dia nirahina avy ao Antiokia i Paoly sy Barnabasy mba hanao diam-pitoriana tany an-tany lavitra. Ny iray amin’ireo tanàna notsidihiny dia i Lystra, tanàna niavian’i Timoty.

Ankehitriny, eo amin’ny herintaona tatỳ aoriana, i Paoly dia niverina tao Lystra tamin’ny diany faharoa. Rehefa lasa niaraka tamin’i Paoly sy Silasy i Timoty, fantatrao ve izay nalehany? Jereo ny sarintany, ary aoka hofantarintsika ny sasany amin’ireo toerana.

Voalohany, dia nankany akaikin’i Ikonioma izy, avy eo dia tao amin’ny tanàna faharoa nantsoina hoe Antiokia. Taorian’izany dia nanao dia hatrany Troasy izy, dia niampita hatrany Filipy, Tesalonika ary Beria. Hitanao ve i Atena eo amin’ny sarintany? Nitory tao i Paoly. Manaraka izany dia nandany herintaona sy tapany izy nitoriana tao Korinto. Farany dia nijanona vetivety tao Efesosy izy. Dia niverina an-tsambo nankany Kaisaria izy, ary nanao dia hatrany Antiokia, izay nitoeran’i Paoly.

Koa nanao dia an-jatony kilaometatra maro àry i Timoty mba hitoriana ny “vaovao tsara” sy hanorenana fiangonana kristianina maro. Rehefa hihalehibe ianao, moa va ianao ho mpanompon’Andriamanitra mahatoky sahala amin’i Timoty?

Asan’ny Apostoly 9:19-30; 11:19-26; As 13-17 toko faha-13 ka hatramin’ny faha-17; As 18:1-22.