Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 111

Zazalahy Iray Nianjera teo Am-patoriana

Zazalahy Iray Nianjera teo Am-patoriana

OADRAY! Oadray! Inona no mitranga eto? Moa ve naratra mafy io zazalahy mitsotra eo amin’ny tany io? Jereo! ny iray amin’ireo olona mivoaka avy ao amin’ny trano dia i Paoly! Hitanao koa ve i Timoty eto? Moa ve nianjera avy teo am-baravarankely ilay zazalahy?

Eny, izany indrindra no vao nitranga. Nanao lahateny ho an’ny mpianatra i Paoly tao Troasy. Fantany fa tsy hahita azy ireo intsony mandritra ny fotoana ela izy, satria ny ampitso dia tsy maintsy niainga tamin’ny sambo izy. Koa nanohy nandahateny hatramin’ny misasakalina izy.

Eny, nipetraka teo am-baravarankely io zazalahy antsoina hoe Eotyka io, ary natory. Nianjera tany ivelan’ny varavarankely izy, avy any amin’ny rihana fahatelo nankany amin’ny tany ambany! Koa hitanao ny antony toa mahavery hevitra ny olona. Rehefa noraisin’ireo lehilahy ilay zazalahy, dia izay natahorany indrindra no nitranga. Maty izy!

Rehefa hitan’i Paoly fa maty ilay zazalahy, dia nitsotra teo amboniny izy ary namihina azy. Dia hoy izy: ‘Aza very hevitra. Tsy maninona izy!’ Ary izany tokoa no izy! Fahagagana izany! Naverin’i Paoly ho amin’ny fiainana izy! Faly aoka izany ny vahoaka.

Nankany ambony rihana indray izy ireo ary nisakafo. Nanohy nandahateny i Paoly ambara-pahamarainan’ny andro. Nefa azonao antoka fa tsy natory intsony indray i Eotyka! Avy eo i Paoly, Timoty ary ireo niara-dia taminy dia niakatra tao an-tsambo. Fantatrao ve ny toerana izay nalehan’izy ireo?

Vao avy nahavita ny diany fahatelo nanaovana fitoriana i Paoly, ary eo an-dalana handeha hody izy. Tamin’io diany io dia nijanona telo taona tao amin’ny tanànan’i Efesosy fotsiny i Paoly. Koa mbola lavalava kokoa ihany noho ny diany faharoa io dia io.

Rehefa niainga tao Troasy ny sambo dia nijanona kely tao Mileto. Satria kilaometatra vitsivitsy monja avy eo i Efesosy, i Paoly dia nampaka an’ireo anti-panahin’ny fiangonana mba ho tonga ao Mileto. Amin’izay dia ho afaka hiresaka farany amin’izy ireo izy. Taorian’izany, rehefa tonga ny fotoana hiaingan’ny sambo, dia nalahelo aoka izany izy ireo nahita an’i Paoly lasa!

Tamin’ny farany dia tafaverina tao Kaisaria ilay sambo. Tao, raha mbola nitoetra tao an-tranon’i Filipo mpianatra i Paoly, ny mpaminany Agabo dia nampitandrina an’i Paoly. Nilaza izy fa hogadraina i Paoly rehefa tonga any Jerosalema. Ary marina tokoa fa izany no nitranga. Avy eo, rehefa avy natao an-tranomaizina roa taona tany Kaisaria i Paoly, dia nalefa ho any Roma mba hotsaraina teo anatrehan’i Kaisara mpanapaka romanina. Aoka hojerentsika izay nitranga tamin’ny diany ho any Roma.

Asan’ny Apostoly 19-26 toko faha-19 ka hatramin’ny faha-26.