Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 112

Vaky Sambo teo Amin’ny Nosy Iray

Vaky Sambo teo Amin’ny Nosy Iray

JEREO! ao anatin’ny fahasahiranana ilay sambo! Ho potipotika izy io! Hitanao ve ireo olona izay nitsambikina tao anaty rano? Ny sasany dia efa tonga eo amorony. I Paoly ve io eto io? Andeha hojerentsika izay nitranga taminy.

Tsarovy, fa nandritra ny roa taona i Paoly dia nogadraina tany Kaisaria. Avy eo izy sy ny mpigadra hafa sasany dia natao tao amin’ny sambo iray, ary nandeha ho any Roma izy ireo. Rehefa nandalo teo akaikin’ny nosy Kreta izy ireo, dia nisy tafiodrivotra nahery namely azy. Nitsoka mafy aoka izany ny rivotra ka tsy afaka namily ny sambo ireo lehilahy. Ary tsy afaka nahita ny masoandro izy ireo nandritra ny andro na ny kintana tamin’ny alina. Farany, rehefa afaka andro maro, dia namoy izay rehetra nety ho fanantenana famonjena ireo tao an-tsambo.

Dia nitsangana i Paoly ary niteny hoe: ‘Tsy hisy na dia iray aminareo aza hamoy ny ainy; ny sambo ihany no ho very. Satria tamin’ny alina dia tonga tamiko ny anjelin’Andriamanitra iray ary niteny hoe: “Aza matahotra, ry Paoly! Tsy maintsy mitsangana eo anatrehan’i Kaisara, mpanapaka romanina, ianao. Ary hovonjen’Andriamanitra ireo rehetra izay miara-dia aminao.”’

Teo amin’ny misasakalina tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folo taorian’ny nanombohan’ny tafiodrivotra, dia nanamarika ireo tantsambo fa nihanarivo ny rano! Noho izy ireo natahotra sao midona amin’ny harambato sasany ao amin’ny maizina, dia nalatsany ny vatofantsika. Ny ampitso maraina dia nahita helo-dranomasina izy ireo. Nanapa-kevitra ny hiezaka ny hitondra ilay sambo hatreny amin’ny morony teo izy ireo.

Eny, rehefa nanakaiky kokoa ny morony izy ireo, dia nidona tamin’ny vongovongom-pasika ny sambo ary nihitsoka teo. Avy eo dia nanomboka namely azy ny onja, ary nanomboka vakivaky ilay sambo. Hoy ilay kapiteny: ‘Ianareo rehetra izay mahay milomano, mitsambikìna ao anaty ranomasina ary milomanosa mankeny amorony. Ny sisa dia mitsambikìna manaraka azy ireo, ary manendaha sila-kazo avy amin’ny sambo mba hifikirana.’ Ary izany no nataon’izy ireo. Tamin’izany fomba izany, ny olona 276 rehetra izay tao an-tsambo dia tonga soa aman-tsara teny amorony, araka ny fampanantenan’ilay anjely.

Nantsoina hoe Malta ilay nosy. Tsara fanahy aoka izany ny mponina, ary nikarakara an’ireo avy ao an-tsambo. Rehefa nihatsara ny andro, i Paoly dia napetraka tao amin’ny sambo hafa iray ary nentina ho any Roma.