Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARA 113

Paoly Tany Roma

Paoly Tany Roma

JEREO ny gadra vy eo amin’i Paoly, ary jereo ilay miaramila romanina miambina azy. Nigadra tany Roma i Paoly. Eo am-piandrasana izy ambara-panapaky ny Kaisara romanina izay hatao aminy. Raha mbola teo am-pifatorana izy, dia navela hitsidika azy ny olona.

Telo andro taorian’ny nahatongavan’i Paoly tao Roma, dia nandefa teny tany amin’ny filoha jiosy sasany izy mba ho tonga eo aminy ireo. Vokatr’izany, dia Jiosy maro tao Roma no tonga. Nitory taminy ny amin’i Jesosy sy ny fanjakan’Andriamanitra i Paoly. Ny sasany dia nino ary tonga Kristianina, fa ny hafa kosa tsy nino.

I Paoly dia nitory koa tamin’ireo miaramila samihafa izay ny asany dia ny niambina azy. Nandritra ireo roa taona nihazonana azy ho toy ny mpigadra, i Paoly dia nitory tamin’izay rehetra azony nanaovana izany. Vokatr’izany, na dia ny ankohonan’i Kaisara aza dia nandre ny amin’ny vaovao tsaran’ny Fanjakana, ary tonga Kristianina ny sasany taminy.

Nefa iza moa io mpitsidika manoratra eo an-databatra io? Azonao vinanina ve? Eny, i Timoty io. Natao an-tranomaizina koa i Timoty noho ny fitoriana momba ny Fanjakana, nefa afaka indray izy. Ary tonga eto izy mba hanampy an’i Paoly. Fantatrao ve izay soratan’i Timoty? Aoka hojerentsika.

Tsaroanao ve ny tanànan’i Filipy sy Efesosy tao amin’ny Tantara Faha-110? Nanampy teo amin’ny fanorenana ny fiangonana kristianina tao amin’ireo tanàna ireo i Paoly. Ankehitriny, raha mbola tao an-tranomaizina i Paoly, dia nanoratra taratasy ho an’ireo Kristianina ireo. Ao amin’ny Baiboly ireo taratasy ireo, ary antsoina hoe Efesianina sy Filipianina. Izao i Paoly dia milaza amin’i Timoty izay tokony hosoratana ho an’ireo namany kristianina tany Filipy.

Nampiseho hatsaram-po tokoa tamin’i Paoly ny Filipianina. Nandefa fanomezana ho azy teto, tao an-tranomaizina, izy ireo, ka dia nisaotra azy ireo i Paoly noho izany. I Epafrodito ilay olona izay nitondra ny fanomezana. Nefa narary mafy izy ary saiky maty. Izao izy dia efa tsara indray ary vonona ny handeha hody. Hitondra an’io taratasy avy amin’i Paoly sy Timoty io miaraka aminy izy rehefa hiverina any Filipy.

Raha mbola tao an-tranomaizina i Paoly dia nanoratra taratasy roa fanampiny izay hitantsika ao amin’ny Baiboly. Ny iray dia ho an’ny Kristianina tao amin’ny tanànan’i Kolosia. Fantatrao ve izay niantsoana azy io? Kolosianina. Ny iray hafa dia taratasy manokana ho an’ny namana akaiky iray nantsoina hoe Filemona izay nonina tany Kolosia koa. Momba an’i Onesimosy mpanompon’i Filemona ilay taratasy.

Nandositra avy tao amin’i Filemona i Onesimosy ary tonga tany Roma. Nisy fomba nahafantaran’i Onesimosy ny amin’ny fanaovana an-tranomaizina an’i Paoly teto. Tonga izy mba hitsidika, ary nitory tamin’i Onesimosy i Paoly. Tsy ela i Onesimosy dia tonga Kristianina koa. Izao i Onesimosy dia nanenina noho izy nandositra. Fantatrao àry ve izay nosoratan’i Paoly ao amin’ny taratasiny ho an’i Filemona?

Nangataka an’i Filemona i Paoly mba hamela heloka an’i Onesimosy. ‘Averiko any aminao izy’, hoy ny soratr’i Paoly. ‘Nefa ankehitriny dia tsy hoe mpanomponao fotsiny izy. Rahalahy kristianina tsara dia tsara koa izy.’ Rehefa niverina tany Kolosia i Onesimosy dia nitondra niaraka taminy ireo taratasy roa ireo, ny iray ho an’ny Kolosianina ary ny iray hafa ho an’i Filemona. Azontsika alaina sary an-tsaina ny hafalian’i Filemona rehefa nahalala fa tonga Kristianina ny mpanompony.

Rehefa nanoratra ho an’ny Filipianina sy ho an’i Filemona i Paoly, dia nanana vaovao tsara marina tokoa. ‘Maniraka an’i Timoty atỳ aminareo aho’, hoy i Paoly tamin’ny Filipianina. ‘Nefa hitsidika anareo koa aho, tsy ho ela.’ Ary nanoratra ho an’i Filemona izy hoe: ‘Manomàna trano hipetrahako any.’

Rehefa nafahana i Paoly dia nitsidika ireo rahalahiny sy anabaviny kristianina tany amin’ny toerana maro. Tatỳ aoriana anefa dia nogadraina indray tany Roma i Paoly. Tamin’izay dia fantany fa hovonoina izy. Koa nanoratra ho an’i Timoty izy ary nangataka azy mba ho tonga haingana. ‘Nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra aho’, hoy ny nosoratan’i Paoly, ‘ary hamaly soa ahy Andriamanitra.’ Taona vitsivitsy taorian’izay dia novonoina i Paoly, noravana indray i Jerosalema, tamin’ny alalan’ny Romanina tamin’ity indray mitoraka ity.

Nefa misy zavatra hafa koa ao amin’ny Baiboly. I Jehovah Andriamanitra dia nampanoratra ny apostoly Jaona ireo bokiny farany, anisan’izany ny bokin’ny Apokalypsy. Io bokin’ny Baiboly io dia manambara ny hoavy. Aoka hianarantsika izao izay raketin’ny hoavy.